Fitsidihana Ambasadaoro Sina (23 Jolay 2014)

Fanokafana tamin\'ny fomba ofisialy ny forum momba ny asa sy ny asatanana tany Mayotte

Fampirantiana tahirin-tsary ho fahatsiarovana ny nahazoan\'i Madagasikara ny Fahaleovan-tena (1960 - 2014)

Fitondrana am-bavaka ny firenena noho ny faha-54 taona ny fahaleovan-tena

Akon\\\'ny fankalazana ny fetin\'ny 26 jona 2014 an-tsary

Fitsidihana nataon-dRamatoa Ministra Vaonalaroy Randrianarisoa tany amin\' ny faritra Atsinanan\' i Madagasikara

Kolontsaina/ Ny mpanompon’ ny Mpanjaka

couronneTany Imerina, tamin’ny andron’Andrianampoinimerir.i foko telo izay nomena andraikitra manokana nanompo ny Mpanjaka:

 ny Manisotra, ny Manendy ary ny Tsiarondahy.

Ny Manisotra

Ankizin-dRamatoarasahala, vadin’Andriamasinavalona. ka novotsorany no niandohan’ ny Manisotra. Napetrak’ Andriamasinavalona Ambohijoky izy nony nahatosika ilay andriana naditra tao. Nandray tsara izay rehetra nandositra ka nitady fialofana teny Ambohijoky ny Manisotra indrindra ny andevo nandositra. Nanohitra mafy an’Andrianampoinimerina izy tamin’ny andron’Andrianamboatsimarofy niady tamin’Andrianampoinimerina.Nony resy izy dia nanatona nifona tamin’Andrianampoinimerina ka noraisiny tsara ary nitokiany sy nomeny andraikitra ambony matetika.Na dia nandray andevo maro tao anatiny aza ny Manisotra dia tsy nataon’Andrianampoinimerina foko manana zaran-ketra na zara na mitovy tamin’ny foko merina hafa.

Ny Manendy

Tarana-bazimba voatosika avy tany Imerina atsinanana izy ireo ka namikitra na nandevozina tany Imamo sy Imerina andrefana. Nanohitra mafy sady naharesy an’Andrianampoinimerina izy fony nanomboka namory an’ i Marovatana Andrianampoinimerina Na dia izany aza dia tonga nanatona nanaiky an’Andrianampoinimerina izy, notarihin-dRatsiampiry ny. Noho izany dia nanjary lehilahy nitokian’Andrianampoinimerina Ratsiampiry ary ny Manendy dia nomeny zaran-ketra (tany honenana sy zara fanompoana) ka napetrany tao Anosivola sy tao Anativolo nataony mpiandry ombin’Andriana.

Angano / Ny Bitro sy ny rambony

lapinTaloha elabe, hono, ny biby rehetra na kely na lebibe dia tsy mbola nisy rambo ary nampalahelo ny besinimaro izany, nampalahelo ny liona mpanjaka koa. Ny liona anefa dia tapa-kevitra fa hanamboatra rambo ho an’ ny tenany mba ho mendrika ny maha mpanjaka azy. Dia nahavita rambo tsara tarehy tokoa izy. Hatramin’ izay dia nimenomenona kosa ny biby sisa rehetra fa mba te-hanan-drambo avokoa. Noho izany dia tapa-kevitra ny besinimaro fa ny liona sy ny orsa izay mpisakaiza no hanamboatra rambo ho an’ ny biby sisa rehetra.

Vetivety foana dia vita ny rambo nilaina ary ny ekiorely no nitondra hafatra hilaza amin’ ny mponina an’ ala rehetra.

Nony tonga ny andro fizarana rambo dia samy nihazakazaka namonjy fotoana avokoa ny biby rehetra fa hisy lanonana lehibe amin’ izany. Koa samy niakanjo ny fitafiana íitondra mianjaika avokoa izy rehetra.

Ny bitro kosa, hono, tsy mba taitra fa mbola natory tao an-dava.ka. Tsy naharitra ny rajako fa namoha azy nanao hoe:

Ndeha re hiaraka amiko!

Mandehana aloha ianao fa tratrako vetivety foana, hoy ny bitro.