Cirque rouge

Isalo

Kolontsaina

Mifampiady varotra (tohiny)

Ny veliranon’amboa: izay maty aloha hanina. Ny veliranom-bazimba: izay mivadika aloha kely ila (na be lohalika). Veliranon'ny mpisakaiza; izay manao ny tsy mety  ho resen'ny soa nifanaovana Ary veliranon'ny mpiray tampo izay manao ny tsy mety ho resen'ny (nono niraisana). Ary veloranon'ny mpianakavy: izay manao ny tsy mety ho resen'ny (razana iombonana), Mpirahalahy manao velirano, ka fanampin'ny nono niombonana ; Fa ny Sakalava matokim-pati-drà, ary ny Imerina matokim-belirano. Ny siny lolohavina amin'ny alana, sy tohanana amin'ny tànana ; Ny fanjakana lolohavina amin'ny vola sy ny fanompoana Ny ray aman-dreny lolohavina amin'ny fitiavana sy ny fananana; Ka ny velona arahim-potsim-bary, ary ny maty arahin-dambamena; Ary ny zavatra ananana arahin'adidy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *