Cirque rouge

Isalo

Kolontsaina

Mifampiady varotra (tohiny) Mihehy lavenona amin'ny tono lozotra, manoakoaka amin'ny hakamoana Kanefa raha manao izany, toa manozcna toa r.isahato. Koa hiova feo aho fa nisaina, ary hiova tery aho fa neritreri-panahy ; Ka izao no izy; Isika tsy tevan-tia héna akory; tsy tsingala mitsiiiritra ny ain'ny omby ho faty, 'Tsy mpamosavy mitsiriritra ain-jaza-boda; ary tsy maniry olona ho simba Ka izao no faniriantsika; Na zovy tsy tia ny olo-marina, na zovy mankahala Na iza mikasa handrava, na iza mikasa hisompatra Ny fahavalo anie hanjary sakaiza, ary ny mikasa hisompatra hanjary mpanisy soaIzany no faniriantsika, ary izany no tsara, fa isika tsy manana olon-kalana; Masoandro be lohataona, ka tsy manana hasosorana aman-kavana. Ary enga anie ny olomarina- sy ny tsara fanahy rehetra, Mba ho fary tsy hanim-positra - Ho vary tsy hanim-pody. Ho vony tsy azon'afo, Ho akotry tsy lai-parimbona, Ho akoho tsy lasam-borona - Ho tany tsy lasan-driaka. Tsy ho foafitak'olon-tiana.Tsy ho voan'ny mpisompatra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *