Cirque rouge

Isalo

Kolontsaina

Mifampiady varotra (tohiny) Izaho sy izy : tandroho niara-nisoko; vovo niara-nilona ; Ketsa niara-nafafy; vary niara-naniry; akondro niara-namoa Tandroka niara-naniry taman-tsofina: samy teo hatry nyela; Zaza niara-nilalao ; antitra niara-nitanin'andro Izay hitany mba hitako avokoa Ny fanjakana (na) ny Foloalindahy (na) Hianao no: Kiady aron'ny voly; Tandroka aron'ny vozona, Apinga aron'ny loha; Manda aron'ny vohitra, Hady lalina tsy azo vikinina; Fefy tsy azo hioarana, Ala ikirizana, Vodivona iafarana; Tanjona iantsonana. Foto-kazo hialofana; Andry iankinana; Hanin-kohanina, Lamba itafiana; Ray aman-drenin'ny madinika. Koa raha ritra ny rano, manjoretra ny vorona; Ary raha miongana ny kiady, Mihohoka ny be sy ny maro.    

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *