Cirque rouge

Isalo

Kolontsaina

Mifampiady varotra (tohiny)

Vorodamba atakalo patsa; Ny irây hanina anio dia lany; Ny irày itafiana anio dia rovitra. Tsy misy hafa, fa torak'i Babay i Lohavohitra. Ary torak'i Baka i Sondenda. Tsy maniry valaben'olona aho fa mipetraka anin’Andraisisa. Tsy maniry anpangoro-fahavaratra, fa mipetraka eo am-pototry ny sompitra. Tsy maniry vorona an-danitra, fa tsara basy an-tànana. Tsy maniry lambo an’ala, fa tsara amboa mahay mihaza; Tsy maniry trondro am-parihy, fa manan-tandroho tsara Iadina. Tsy maniry havana an-dafin~drano, fa tsara lakana itana. Tsy maniry an-dian’omby n'olona, fa manana an'i Marosada. Tsy maniry ombalahy hampiadiana, fa manana an'i Menalefona. Ary tsy maniry kiady sy voninahitra, fa manana anào olona iray toa zato. Hianao no toy ny ampangoro fahavaratra amin'ny tao-mosarena. Ny tsy mananà ànao maniry ka izaho indray ve no haniry manana? Ka ho noana eo ampototry ny sompitra? Mangetaheta ambony lakana? Hitafy maloto manan—tsavony?Ary hanan—tondro—maso eo imason'ny olona? Matoky aho manan'anao, ary ho afa-tondro-maso eo imason'ny olona!  

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *