Cirque rouge

Isalo

Vaovao

Gadona Bagasy : feno 90 taona katroka i Fidimalala

Anisan’ ireo mpanakanto zokiny indrindra I Fidimalala, izay andrarezin’ ny hira Malagasy. Sady mihira izy no mitendry gitara. Vavolombelon’ny kolontsaina sy ny gadona bagasy na eto an-toerana na any ivelany. Fakan-tahaka, olon_tsotra, manetritena ary tia mirakitra sy mizara. Ny 29 Aprily ho avy izao manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany ao amin’ ny Alliance Française Andavamamba no hanatanterahina izany. Hovelomina ao ny sanganasan’I Fidimalala sy ny an’ireo iray hira taminy toa an-dRanaivo Ranarivelo, barijaona, Ramaroson Wilson, Dox, Lex rana, lala d’Oris, Jules Razafimbahiny, sns…. Hivoaka amin’ io fotoana io koa ny boky mirakitra ny fiainany sy ny kapila mangirana novokarina sy natonta manokana ho firaketana ny tantarany sy ny an’ireo mpanakanto naira-belona taminy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *