Cirque rouge

Isalo

Vaovao

Jazz @ tohatohabato: andiany fahavalo

Hotanterahina ny 30 May hatramin' ny 03 Jona izao ny andiany fahavalo amin' ny Jazz @ tohatohabato. Amin' ity andiany ity dia nomena toerana malalaka kokoa ny dian' ilay fiara hitondra ny mpitendry sy ireo mpandray anjara amin' ny "Jazz quartier". Hampiavaka azy ihany koa ny fandraisana anjaran'ireo ankizy izay tezaina sy beazina ao amin' ny Centre Alabri any Miarinarivo Itasy. Fifampitaizana sy fifanakalozana mitondra fivelarana ho an'ny tsirairay no tanjon' ny "Jazz @ tohatohabato". Handray anjara sy hifankahita eny an-tsehatra ireo mpanakanto na tarika efa manana traikefa matanjaka amin' ny mozika jazz. Ho hita eny koa anefa ireo talenta vao misondrotra. Ny 30 May : Jazz kids ao amin' ny Tranompokonolona Analakely. 31 May: Jazz VIP ao amin' ny Le Louvre Antaninarenina. 01 Jona: Jazz quartier eo anoloan' ny Kianjan' ny Mahamasina. 02 Jona: jazz street eo amin' ny Tohatohabaton'Antaninarenina. 03 Jona: sehatra lehibe eo anoloan' ny Tohatohabaton'Antaninarenina.  

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *