ARIKAOMISA Randria Enesra

  Anarana : RANDRIAMANANTENA Fanampiny : Arsène Solon’anarana : ARIKAOMISA RANDRIA ENESRA ô      Filoha lefitra voalohany ao amin’ny Fikambanana Mpiandahy Mianala (FIMPIMI) ô      Mpanatontosa fandaharana amin’ny onjam-peo (Radio don Bosco…) ô      Mpanoratra : -    Tantara an’onjam-peo (Ratsimitahy, Radera artista, Rabekitapo, Ditra manadala, henjim-pitia…) -    Tantara an-tsehatra (Ikotolita mitady sipa, Ikotolita sy rapata…) -    Sarimihetsika (Kenda, Jiaby jiaby…) -    Angano -    Tononkalo ô  Mpilalao -    Amin’ny onjam-peo (RDB, RTA…) -    An-tsehatra -    Sarimihetsika (Revy sa ditra, Ombon’ady, Kenda, Fanasina, jiaby jiaby)

 TSY IZAHO

Raha nosoratan’ity tanako ny sento tsisy fahataperana, Tsy izaho no tena ory fa ainga sendra mba niserana ; Raha mitanisa faharesena ireo tononkira ireo Dia noforoniko ireny fa tsy izaho no mitoreho ; Raha miventy fitiavana ny tononkalo nosoratako, Tsy voatery ho niainako na niboika tato an-tratrako, Raha mampiaina fahasambarana ny asa mba notontosaiko, Tsy hoe tretrika tanteraka izany vatako sy saiko ; Raha naneho ny tsara indrindra iny vetsovetsoko iny, Tsy izaho no tonga lafatra na hoe tsy misy tsiny.

 Saingy…

sarotra amiko ny hilaza f’izay rehetra noraketiko dia tsy nisy nihatra tamiko, tsy nisy potiny mba nentiko, fa olombelona aho, miaina ao anatin’ny tantara, efa tojo zava-maro, sendra ratsy…sendra tsara… kanefa raha ny tononkaloko na ny soratro mitoetra no entinao hitsarana ny momba ahy rehetra rehetra dia ho diso hevitra ianao fa tsy hahalala ahy akory na hamadika impito…eny, na dia hiari-tory !

 ARIKAOMISA RANDRIA

 25/06/91

Revenir à la page précédente

 

5 Responses to ARIKAOMISA Randria Enesra

  1. VAZAHAMORA Koloina Cyrielle dit :

    SALAMA TOMPOKO! ahaona kay ny atao raha te handray anjara amina tantara mandeha amina onjam-peo!mankasitraka ! koloina 0338604747

  2. Tahiana dit :

    Manahoana ianao Monsieur ARIKAOMISA RANDRIA!Tena mba tiako loatra lay feon-kira entinao manelanelana lay sy ny hira tononkalo ao amin’ny Radio Don Bosco lahady alina ireny .Ka hono a?sao dia mba azonao lazaina ahy ny titre an’izy ireny !
    Misaotra mialoha

  3. Mahefalison dit :

    Miarahaba anao Arikaomisa Randria, fankasitrahana ho anao mikolokolo ny Haisoratra malagasy.
    Fa mba misy fangatahana kely e! Efa noantsainao tao amin’ny RDB (ONJAN’NY FO) ny tononkaloko maromaro
    nisy fotoana kanefa mba tiako hohenoina indray ka raha mba mety dia mba afaka mahazo ny VERSION COPIE MP3 an’ireo ve aho? Raha mba mety dia alefaso amin’io adresse mail io.
    Misaotra sahady Arikaomisa!

    Solon’anarana: MAHEFALISON (Tel: 033 37 631 79)

  4. RAKOTONIRAINY dit :

    Mankasitraka ny zavatra atonao aho Mr Arikaomisa ah!

    • Tojoantso jules Ulrich dit :

      Avy ety Ambalavao Tsieniparihy ny tenako .Tena mahafinaritra be ahy ny mihaino ny tantara lalaovinao sy iFaly ary i Arlivah.Hitako tena mahay milalao be ery ianareo , ary tena iainanareo leizy fa tsy toy ny an’ny sasany, izay mbola tsy de misy fivoarany loatra.Ny faniriako zao dia: ny mba te-hahita ny endrikareo rehetra ireo ary mba te- hotonga mpilalao tantara matianina toa anareo koa.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *