Niry Solosoa

Anarana : RASOLOMAHENINAniry-solosoa Fanampiny : Manirisoa Solon’anarana : Niry Solosoa Teraka ny : 26 jolay 1951 tao Ihosy Asa : mpanao gazety Manoratra tononkalo, famoaboasan-kevitra, sombintantara. Maro ny asa sorany efa nivoaka an-gazety Ahitana tononkalony vitsivitsy ao amin’ilay amboara fahatelo « AINGAM-PANAHY VAOVAO» nosoratan’i Barthélemy RAJHONS.

Niara-namoaka ny Amboara « ANGAROA » ny taona 1988 tamin’ireo mpanoratra 7 mirahalahy namany, toa an-dry Tiaray Andriamahefa, Rafalindranto Ramy, Ranja sy ny hafa. Ahitana ny asa sorany koa ao amin’ny Amboara SANDRATRA, izay iarahany amin-dry Solofo José, Ilay, J. Nalisoa RAVALITERA, sns…

 

OSAOSA… 

Andriamanitra ô ! iangaviako Ianao

raha azonao atao,

maninona raha foanana itony vola itony

mba tsy hisy intsony ?

Vola ! Vola ! Vola !

Ezahina ho feno

ny paosy sy sakaosy ;

Tsy misy azo atao raha tsy misy « saosy » !

Hatramin’ny lamesa ho an’ny nodimandry

tsy azo tanterahina fa tsy maintsy miandry

ho tapitra voaloa ny saram-pisoronana

adidy maro loha any am-piangonana…

Ny Fitsaran’ny tany no misy sisi-bola !

Ny varavaran-danitra koa ve dia mbola

Itakiana sarany vao tazana hivoha ?...

Indrisy, ry Tsitoha,

ny ory sy tsy manana

manomboka eto an-tany

hatrany an-danitra any

tsy hianoka fiadanana

fa

maha osaosa ny finoako ny mombamomba Anao

ny fihetsika fanaon’

ireo ambara hoe : « ireo voahosotrao »

Aminy ny maminy

sady andriamaniny :

ny vola no andriamanitra

devoly mahafinaritra…

soa fa ny Tompo no hany tena Lalana

mankamin’ny Fiadanana !

NIRY-SOLOSOA (aogositra 1999)

Revenir à la page précédente

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *