Ny Fiavian’ ny Sakalava Boeny

Hatreo amin’ny Onilahy, mitsotra mianavaratra any Sambirano, no fetra ny faritra ny tany Sakalava. Zanaka farilahin’Andrianalibe mpanjakan’ny Mahafaly,boeny fianakaviamben’ny Maroseranana, no loharano nisehon’ANDRIMANDAZOALA, izay namorona ny fanjakan’ny Sakalavan’I Menabe, tokony eo antenatenan’ ny taon-jato faha XVI…Izy no nanorina ny tananan’I Bengy ho Renivohitry ny Fanjakany.Andriamandazoala no Mpanjaka voalohany teto anivon’ny Riaka nahatafambatra velaran-tany nidadasika nanjakany.

Andriamandazoala no Rain’I Andriamisara ary Andriandahifotsy kosa no zafiny.

Niala tao Bengy Andriandahifotsy ka nanitatra ny fanjakany nianavaratra, ary  izy no namaritra mazava tsara ny faritry ny tany nanjakan’ny Mpanjakan’ny Sakalava : MANAMBOLO no faritra avaratra, BONGOLAVA sy ISALO no faritra atsinanana, ary ONILAHY no faritra  atsimo. Rehefa maty izy  tokony tany amin’ny taona 1680 dia ny zanany  atao hoe ANDRIAMANETSIARIVO  no nandimby azy ka nomena azy ny “VILAVATSIROA”.

Andriamanetsiarivo izany no nitondra ny fanjakana tao Menabe  fa ANDRIAMANDISOARIVO rehefa nomen’iZokiny tso-drano ary nampitondrainy sombony (silakaran-doha,foto-bolo,hoho)nalaina tamin’ny Dady Andriamisara sy tamin’ny Dady Ndrananina  ary natolotra azy ny MANANDRIABE sy ny fitaovam-piadiana  andevo maro sy ireo mpankasitraka azy niaraka amin’ny Moasy hitsanganan’I Andriamisara raibeny, io no manoro ny lalana  ka tafavoaka taty Soalala ary tonga tao BEZAVO ary tsy maintsy hitsaka ny farihin’ny KINKONY

Ny SANDRAGOATSY sy ny MARAMBITSY no tompon’ny tanin’ny Boeny teo aloa; ka raha andeha hita any Farihin’ny Kinkony dia nisikidy ilay moasy ka hita fa misy olona monina ao anatin’ny rano, SOMOTRANORO no anaran’ny MPanjakan’ny Marambitsy izay monina ao anaty farihy ka nilaza io Ampanjaka io fa raha te-hahazo ny fanjakana Boeny hianareo dia tsy maintsy manao sorona iray amin’ireo vadin’Andriamandisoarivo.

Notambazana Andevo sy omby ary fitaovam-piadiana maro I Somotranoro fa tsy nanaiky, ary rehefa nanontaniana ireo vadin’Andriamandisoarivo marobe dia tsy nisy nanaiky afa-tsy DRAMANDIKAVAVY fa saingy nametraka fepetra hoe:

“Manaiky hilevim-belona aho fa kosa tsy maintsy BEMIHISATRA no tompon’I Boeny izay tarihin’ANDRIAMBONIARIVO zanako”  izay vao Roa taona monja tamin’izany fotoana izany.

Ny zanako ANDRIAMBONIARIVO no mitondra ny fanjakana na dia Roa taona monja aza ilay zaza tamin’izany fotoana izany I Tsambingo indray no moasy nitarika an’Andriamandisoarivo hiampita ny helo-dranon’I Bombetoka, izy no nitondra ny sampy ary nanaraka azy ny moasy hipetrahan’Andriamisa avy eo Andriamandisoarivo. Nizara  roa ny ranomasina tamin’izany ka tsy mahazo mitodika rehefa mandeha fa manjary    mitsepika anaty rano, ka izany no niandohan’ny anarana hoe Katsepy ary misy Doany koa ao. Marihina moa fa zay toerana  nijanonan’ny Ampanjaka dia Doany avokoa. Nandalo an’Antsahabingo ny lalan’izy ireo niakatra an-tanety. I Tsambingo koa no namboly ny Baobab be tokony ho tamin’ny taona 1745. Natao ho famantarana izy io fa avy any Menabe ry zareo.Mbola tsy nisy Baobab naniry teto Mahajanga alohan’io.

Izany no nahatonga ny Sakalavan’I Boeny eto Mahajanga

Ireto avy ireo Ampanjaka Be nifandimby nitondra ny Doany Andriamisara

I RAMIZA "ANDRIAMANDISOARIVO" (Vadin'i ANDRIAMANDIKAVAVY)
II TRANO (Vers 1718)   "ANDRIAMBONIARIVO"
III SOJA   "ANDRIANANILITRIARIVO" [ (Ambabolahy Mpanjaka) Vadin'i ANKANJOVOLA (Mpanjakan'ny Tsimihety) ]
IV TSITORANGA "ANDRIAMAROFALY"
V RAVAHINY (1770 -1808) "ANDRIAMAMELOARIVO"
VI RATARATRA "ANDRIAMIFEFIARIVO" (ANDRIAMANELINARIVO)
VII FITRAHANA "ANDRIANTSENARIVO"
VIII RABOATOFA "ANDRIAMANTATIARIVO"
IX RALAIVAO "ANDRIANASONDROTRARIVO"
X NDREMASY "ANDRIATONARIVO"
XI BOTOANDRIANA " ANDRIAMANDAMINA"
XII TAMO (1956) "ANDRIAVONJENARIVO"
XIII PRINCESSE VAHOAKA   (27-08-1971) "ANDRIANTSIFOANARIVO"
XIV RANDRIANIRINA DESIRE NOËL [(Mpanjaka DEZY) 1971 au 19 mai 2007 "ANDRIANAVITANARIVO ZAMANIADY"

FANOMPOA

Ao amin’ny Fokontany Tsararano ambony no misy ny Doany Andriamisara Efa-dahy Manankasina Miarinarivo.

Ny FANOMPOABE dia fotoan-dehibe toy ny asaramanitra, amin’ny Foko Sakalava, ankalazaina isan-taona izy io rehefa volana Jolay amin’ny Bory fanjava

GIRAGO

Mangoly na girago : dia Hataka atao any amin’ny Alan’I Andriamisara mba ho vory  aby ireo fandrama rehefa tonga ny fotoana hangalana azy, bory fanjava  volana febroary no hanaovana io fomba io.Fandrama ahosotra ny Dady rehefa Fanompoabe.

Ala voatokana no hangalana ny fandrama :Ambalakida sy Ambatolampy akaikin’ny Boanamary.

ANTAVELA : izany no hanatsovina ny razan’olo mahazo mangala ny fandrama.

boeny-1KIPA

Ny atao hoe KIPA dia fanadiovana ny Doany. Araka ny fomba Sakalava dia miaka-bolana na tsinam-bolana vao afaka manao karazana fomba jiaby. Isaka ny volana Avril no hanaovana ny kipa ary tsy maintsy andro Alatsinainy satria andro tsara amin’ny Sakalava.

Misy joro atao ao anaty Zomba ho an’ ireo mpanompo hanatanteraka ny asa, mitenty tanimalandy faribolana amin’ny andrina jiaby izay mivoaka ny Zomba.

Asesy hiditra anaty Valamena ny omby miisa Roa na Efatra na Enina arakaraka ny fisian’ny omby, omby mivady no hilazana izany. Azo atomboka ny asa rehefa maty ny omby.

Ny fitaovana ampiasaina dia tsy maintsy fafazana rano (rano nalaina tany Betsiboka sy rano tsy dikaim-borona  ary tapoina rano tsotra no afangaro ary asiana tanimalandy).Atao anaty sajoa izy io ary apetraka eo amin’ny varavarana hiditra ny Valamena

Ao anaty  Valamena no diovina voalohany,  ny lehilahy misoroka na mikapa ny manangy kosa manangona  ny ahitra amin’ny lamaka na lambahoany.

Fomba fanomboana ny asa : ny “Jongo “  avy avaratra ; ny “Antakoala” avy atsimo, izay voa manaraka jiaby ny mpanompo ary ankahery na miankavanana no hanomboana ny asa fanadiovana

Tsy maintsy vitaina amin’io andro io  ny ao anaty Valamena fa ny eo ivelany tohizana ny Zoma manaraka raha tsy efa.

Ny omby zay novonoina dia atao sakafon’ireo olona  tonga niasa.

Ny fitaovana  ( toy ny angady , famaky, lamaka…)dia misolo vaovao isan-taona.

FANOMPOA FANDRAMA

Ny atao hoe  : FANAMPOA FANDRAMA   dia ny fahatongavan’ny fandrama ao amin’ny Doany Andriamisara Efa-dahy Manankasina ao Miarinarivo .

Ny fandrama dia avy any amin’ny toerana voatokana dia Ambalakida izay misy ny ZAFIATAFIANA  ary Ambatolampy ny VOROMAHERY .

Miankina amin’ny toerana hangalana ny fandrama  no hanatontonsan’ireo Razan’olo ny fomba jiaby.

Isaka ny volana Mai no hanaovana ny FANOMPOA FANDRAMA

Tsy maintsy mandry ao Ambalamanga ny Fandrama ary hanaovana TSIMANDRIMANDRY vao azo entina miranga Doany.

Ny Alatsinainy misandratr’andro no miala ao Ambalamanga milanja ny fandrana anaty sojoa kely tany, lanjana efatra na valo arakaraka ny abetsaka ny fandrama , tsy misy mahazo manao kapa na kiraro ireo mpilanja sy ny mpanaraka. Samy miantsa na ny mpitondra ny fandrama na ireo miandry any amin’ny Doany, asiana lamaka hiandrasana ny fandrama, ka mandohalika mametraka ny sajoa fa tsy azo hitsahina ny lamaka.

Ny lanjana 2 ambiny ( Sajoa efatra) entina miditra ao anaty Zomba miaraka amin’Ampanjaka, hikarakarana ny Toamainty ampitampoana ny Dady amin’ny fotoanan’ny Fanompoabe.

Marihina fa avy any amin’ny varavarana atsimo antsoina hoe” MENALIO” no miditra rehefa hanatitra ny fandrama ao anaty Zombaboeny-2

Tsy misy mahazo mipetraka ireo mpinday ny fandrama raha-tsy voalaza jiaby ny dihy nombana ,ny toerana nangalana ny fandrama sy ireo razan’olo nangala azy vita izay voa mahazo maka toerana. Ny Fahatelo amin’izay no mibaiko ireo Bemanangy hitsingara ny sajoa misy fandrama.

1.          Sajoa  1  : Ampanjakan’ I Boeny 2.          Sajoa   1 : Ampanjaka Marambitsy 3.          Sajoa   1 : Ampanjaka Analalava 4.          Sajoa   1 : Ampanjakan’ I Nosy Be 5.          Sajoa   1 : Tandrano (Bemanangy) 6.          Sajoa   1 : Betsioka

TOAMAINTY

Ny TOAMAINTY  fomba atao iray volana alohan’ny Fanompoabe dia ny volana Jona izany. Toy ny fomba jiaby teo aloha dia tsy maintsy andro alatsinainy bory fanjava no hanatanterahana izany. Ny Razan’olo Voromahery no manao ny fomba jiaby. Ny toerana niavian’ny Fandrama foana no manome ny omby horotsina amin’io fotoana io.

Fomba hanamboarana ny Toamainty : alaina ilay fandrama nampiditra anaty Zomba tamin’ny Fanompoa fandrama, atao tambero miaraka amin’ny rano tsy dikaim-borona , totoina ny katrafay ary arotsaka ao amin’ilay tambero, ao anaty Valamena no mandoky izany.

Kajiana tsara izy io fa ampiasaina hanaovana tampoka leran’ny Fanompoabe.

FANOMPOAMBE DOANY MIARINARIVO

Ny Fanompoabe dia fetin’ny Sakalavan’i Boeny ary ankalazaina ara-panjakana  isan-taona. Mampitampoka an’ireo Dady ao anaty Zomba no atao amin’io fotoana io dia Andriamisara Efa-Dahy manankasina ary ireto avy izany :

-  ANDRIAMISARA - ANDRIANANINA (Andriandahifotsy) -  ANDRIAMANDISOARIVO -  ANDRIAMBONIARIVO

Fomba atao hanandratana an’i Andriamisara Razamben’ny Sakalava, ka ireo SAHABE na ireo izay hipetrahan’ny Tromban’i Andriamisara rehetra no manotrona izany. Rehefa maty ny Ampanjaka dia tahirizina ny singa amin’ny vatany na zavatra nampiasainy fony izy mbola velona, ka atao anaty boaty volamena na volafotsy ary asiana djaboran’omby sy fandrama ary karazan-kazo manankasina io no antsoina hoe « DADY »sorobidy izy io ka tompohina.

Ny « Zombabe » dia trano vita amin’ny ketikety miorina ao anaty Doany.Izy io dia voadidina fefy antsoina hoe : “VALAMENA”.

NY TANDAPA

Tany amboalohany, araka ny lovan-tsofina, dia nisy ireo loholona na olobe, avy amin’ny karazana samihafa nifandray, nifampinamana tamin’ny Ampanjaka. Noheverin’Ampanjaka fa tsara ny anomezana azy ireo andraikitra amin’ny raharaham-pitondrana ka nasainy nisafidy izay tiany izy ireo.

Ny raharaham-panompoana momba ny fahafatesana anefa natahorana, ka tsy nisy nandray. Ny « JONGÔ » izay nofidiany  farany no voatery nandray an’io, nefa nametraka fepetra izy, izay neken’ny Ampanjaka.

Ny iray tamin’izy ireo kosa dia nofidiny manokana hanakaiky azy mivantana, ka nomeny ny anarana hoe « RANITSY » ny Ampanjaka.

NY MANANTANY

Lehiben’ny Sarababem-bahoaka « Manantany ». Mitondra ny tenin’ny vahoaka miakatra amin’ny Ampanjaka izy, mandalo amin’ny Ranitsy. Miantoka ny fanatanterahana ny didy noraisin’Ampanjaka amin’ny vahoaka tsy vaki -volo. Ny “Fahatelo” no lefitry ny Manantany.

NY RAGNITSY 

Mitana ny andraikitra mandamina ny fifandraisana ao amin’ny lapan’ny Ampanjaka.Izy no miampita ny hataka , fihaonana, miara-midinika amin’ny Ampanjaka ny fandraisana ary miara-mandray izany olona izany amin’ny Ampanjaka. Mitana ny andraikitra fanaraha-maso sy fitsikilovana koa izy, ka manao tatitra mivantana amin’ny Ampanjaka.

Azo ifandovana amin’ny taranaka mivantana ny raharan’ny Ranitsy. Azo afindra amin’ny taranaka hafa anefa izany, amin’iray karazana aminy raha misy antony mazava.

Taloha, manandrana mialoha eo antrehan’ny Ampanjaka ny sakafo aroso hohanin’ny Ampanjaka izy. Io no lazaina hoe « Manala vorika ».

NY JONGÔ

Miandraikitra manokana  ny raharam-panompoana fahafatesan’ny Ampanjaka sy manombo-draharaha amin’ny fanompoana samihafa ampiasain’ olona herim-batana , ivelany sy anatin’ny Doany.

Amin’ny fanompoa-mafana (fahafatesana)dia takiana ho fepetra ahafahany manatanteraka ny andraikiny ny fanomezana azy vodihena isaky ny miasa. Azony atao ny mandà na midongy raha tsy afa-po izy. Manampy azy amin’ny fanompoana ny « MORARIVO ».

boeny-3NY BEMAGNANGY

Lehiben’ny vehivavy ary miantoka ny fantanterahana ny asa tandrify ny vehivavy (Ohatra: fakana rano mbamin’ny idiovan’ny Ampanjaka aza, fitotoana vary, sakafon’ny Ampanjaka).

NY BEN’NY VARAVARA

Manokatra ny varavaran’ny Doany. Manara-maso ny fepetra fidirana sy fivoahana ao (ohatra: tongotra havanana no miditra aloha), izy no manao ny hataka voalohany vao misy mahasaha manaraka manao izany.

NY BEN’NY VARAVARA

Manokatra ny varavaran’ny Doany. Manara-maso ny fepetra fidirana sy fivoahana ao (Ohatra: tongotra havanana no miditra aloha) ; izy no manao ny hataka voalohany vao misy mahasaha manaraka manao izany.

NY TROMBA

Ny tromba dia hery avy amin’Ampanjaka folaka mipetraka amin’ny olona iray. Misy karazana tromba avy amin’ny razan’olo fa amin’ ny herin’Ampanjaka no azoany azy

Ny Ampanjaka folaka vita fomba dia afaka mipetraka amin’ ny olona iray.

NY FITAMPOHA MANDRITRA NY FANOMPOA

voalohany: manadoso azy (ny Dady) ao amin’ny toerana misy azy ao amin’ny zomba faly

faharoa : mampiditra azy ao amin’ny ZOMBADAHY, ka mampirotsy omby eo amin’ny varavaran’ny Zombadahy, izay vao mandeha any Mahavavy.

Misy vozon’omby raha vao mijotso eo amin’ny rijotsoa Antsambilo ny ZANAHARY. Marihina fa mitsatoka izy mazàna (ilay mpibongo na mpibaby) ny dady, ka tsy maintsy manandria na mikoezy azy ireo mpamalavala izay vao mamindra azy. Amin’ny fotoana ijotsoany ao Manjaray, dia misy vozon’omby amin’ny fijotsoany ao Mahavavy amin’ny ilany avaratra miakatra eny amin’ny ilany atsimo dia misy vozon’omby koa hiakarany eny, dia mipody Doany. Mivantana mitambasatsy amin’ny fanitsiana na Aloday. Mangala tsotsoky na mangala disaky eo vao mirongatsy (miainga) miditra anaty ZOMBAFALY, mitambesatra anaty ZOMBABE ao amin’ny VALAMENA.

IREO FANOMEZANA HO ENTINA MANOMPO

Ny mitantana ny asa rehetra manditra ny fitampoha dia ny Manantany, mamalavala akaiky ary manampy azy ny Jongo sy ny zana-jongo ary ny Ranitsy ny Ampanjaka, fa manatrika  fotsiny ny fokonolona

Ireo  fanomanana amin’ ny tena Fanompoa

 Amin’ny volana Aprily any ho any, manomboka miala ranomena no alefa ny fampandrenesana ka miomana ny isam-paritra mandra-pahatonga ny Volambita. Alefa ny taratasy na iraka mitaky tetibary (omby, vola, vary).

Alohan’ny hidiran-dreo mitondra fanatitra hanompoana, dia misy toerana Ampisikina ny anankiray ato andrefana, ny anankiray amin’ny fiakarana Antsambilo, ka eo Ampisikina no iandrasan’ny mpitsena mampandroso azy; mivantana any amin’ny doany rizareo, ka eny no ifanazavana momba izay entana nentiny boakany. Mpanolotra rizareo, mpandray izahay mandra-pahatonga ny Volambita. Ny fahatelo no mpitana ny omby sy ny fanomezana entina hanompo.

Taloha karazan’olona manokana no tendrena hiandraikitra ny fanomezana araka ny karazany avy. Misy karazan’olona manome ny famaha- varavarana, omby io. Hafa indray ny manome ny omby fanaovana fanazava. Hafa ny manome omby ho fandrim-baravarana.

Amin’izao fotoana izao kosa, dia ireo Tromba mianjaka no mila joro velo andesin-dreo hanampiana anay manatanteraka ny Fanompoa. Marihina fa misy foana ny tetibaty avy amin’ny valalabemandry.

Ny atao hoe “omby fanazava”

 Omby matavy atokana hampiroty (vonoina) hakana ny jabora, atapy andro ka atao “môtro” (jiro) ao anaty Zomba ao. Tsy maty môtro ao fa tsy maintsy ampirehety môtro isan-kariva atao fanazavana ao.

Ireo toerana  na trano amin’ny doany sy ny manodidina azy

Voalohany, fiaro omby, izay vao ny valamena, vao tafiditra ao amin’ny Zomba faly na Zombavinda.

Ka ny fipetrany dia toy izao : faran’ny varavarana : Zombadahy, andrefan’ny Zombadahy ny valan’omby ary ny fanitsiana.

Ireo varavaran’ny Valamena

Roa karazana izy io, atsimo ny varavarana mila lio, ho an’ny Ampanjaka sy ny mpanotrona azy, avy andrefana ny varavaran’omby idiran’ny vahoaka.

Ireo karazan’olona no hakana ny fahatelo

 Ny mpiandraiki-draharaha amin’ny karazany mihitsy ny fahatelo.

Ireo karazan-tsakafo hita eny amin’ny Fanompoana, famonoana omby, fitetehana sy fizarana ny hena

Rehefa mampirotsy omby amin’ny Fanompoa dia toy izao :

  1. ny atiny, ny tongoany (trafony) tsy mizarazara, izany hoe tsy azo vakiana miaraka amin’ny manangany (fanangany) fa ho an’ny Ampanjaka ;
  2. ny an’ny Manantany eo akaikin’ny manangany eo koa ;
  3. heringeriny (vozony) ho an’ny Matihazo ;
  4. sotroiny (vodihena) ho an’ny jongô.

Tsy maintsy mahazo hena ny olo-jiaby na kely aza. Fifalian’ny olona tokoa ny mba ahazo anjara hena any amin’ny doany. Omby maty manitsy no iantsoana an’izany hena izany.

Ny atao hoe  Matihazo

Mpiandraiki-draharaha miantoka ny fakana tantely, satria alohan’ny hampitampoka dia manompo, manasohaso tseky, ka tantely boaka amin’ny Matihazo no atao “Toamena” hanasoasoa an’ny Zanahary ao ka heringerin’omby no karaman’ny Matihazo amin’io tantely io.

Ny tena andro fanaovana ny Fitampoha

Ny alatsinainy no andro fanaovana azy.

Ny fety aman-danonana sy fialam-boly atao mialoha ny Fitampoha

Tsimandrimandry amin’ny alina, antsa amin’ny matsana miaraka amin’ny korodao sy mandaliny (mandoline) sy zavamaneno hafa.

Amin’ny mandrevorevo doany taloha vao mba nisy ny tolon’omby sy ny morengy.

Ny fanomanana ilay olona mibaby na mibongo ny Zanahary (dady) amin’ny Fitampoha

 Roa andro mialohan’ny Fitampoha dia atokana toerana izy ary midio, tsy mahazo mikasika zavatra maloto, tsy mahazo mikasika ny vadiny raha manambady izy.

Tonga dia miditra Zomba  ny dady fa tsy mandalo fanitsiana amin’ny fiverenany

Vao tonga doany izy dia mitambesatry (mipetraka) eo amin’ny Fanitsiana. Mahasaina olo-jiaby; afaka tsotsoky (rivodrivotra) izy vao mizotra mamindra  mivadika amin’ny varavara mila lio.

Ny atao hoe varara

Ny atao he varara dia ny antsy fandidiana ny tendan’ny omby aroty (vonoina) amin’ny varavara mila lio. Tsy misy antsy hafa azo ampiasaina amin’izay afa-tsy io.

 Ny omby tsara volo

Ny omby tsara volo itambesaran’Andriamandisoarivo dia : “vatonapetraka” ; ny fanao amin’ny varavara milalio sy varavaran’omby dia “makio” (mainty sofina) sy mazavaloha fotsy rambo, fangitanana, fangitomboky (fotsy loha, fotsy rambo, fotsy tanana, fotsy tongotra).

Ny omby volavita

 Manana ny lanjany manokana ho an’ny Ampanjaka izy io. Heverina fa raha olombelona ilay izy dia Ampanjaka mena (Ampanjaka ray, Ampanjaka reny).

REBIKA

Atao rehefa tombo ny fanompoana valamena na zomba, izany hoe rehefa vita ny fanompoana na ny fitampohana dia mitsinjaka mirebika.

Fomba entina mifaly anaovana antsa kolondoy, ahitana mpitsinjaka

Ny andro hanaovana azy dia matetika ny Zoma ary mandritry ny andro iray.

Ny Ampanjaka dia afaka mirebika ka izy no manao voalohany, izay vao mihetsika ireo sakalava razan’olona na “VOHITRA”. Mitondra basy izy amin’ izany.

Sobahya no lamba entina mirebika. Afaka manao lambahoany tsotra fa kosa tsy maintsy misampina sobahya.

Ny Ampanjaka misalampy sobahya an-kahery (ankavanana) ; Mirebika avokoa na ny lahy na ny vavy. Matetika amin’ny fotoana anaovana rebika:

1. Raha ny lehilahy no mirebika dia mitondra fikopaka ny vehivavy, mikopakopaka ny mpitsinjaka; 2. Raha vehivavy kosa no mirebika dia ny lehilahy indray no manao izany.

Mifampisolosolo ireo mpirebika.

ANTSA

Ny antsa fanaon’ny sakalava dia hira izay ataony na hitantarany zava-miseho na hiderany na hiresahany olona. Mandritra ny antsa dia mitefatefaka izy ireo. Vaiavy sy lehilahy no hita amin’izany ka ny vaiavy manao salovana sy kisaly, ny volo mitaly goragora misoritra lehibe; ny lehilahy kosa manao tipajoro ambany ary somizo na lobaka tsotra ny ambony, misatroka na tsia.

JIJY

Ny jijy antsa  itanisana ny voahary iray na maro handravahana ny zava-kanto toy ny ôsika (Tsimihety), tsinjaka (sakalava), izay ventesin’ny olona iray atao hoe : mpijijy mandritra ny feo sy ny dihy araky ny mozika.

KOLONDOY

Antsa sakalava maventy iantsohana ny razam-be taloha, ampiasaina rehefa manao fanompoa. Miaraka mihira daholo ny lehilahy sy ny vaiavy sady mandrombo.

MANANDRIA

Kakazon’ny afiafy efa loaka anaty no anaovana azy, ary saronana hoditr’omby efa maina amin’ny  tampony roa .

Ny manandria dia ampiasaina amin’ny rebika sakalava izay karazany roa dia misy ny reniny sy ny zanany izay samy hafa feo.

GORODAO

Ny sakalava sy ny Tsimihety dia  mampiasa azy avokoa , ny gorodôna na « accordéon Honner » no karazana ampiasain’izy ireo (8 ny beso ary 24 ny ratsany).

Ampiasaina amin’ny fifaliana,fomba,fanompoa .....

KABOSA

KABOSA dia avy amin’ny teny Tiorka (Turque) ary fampiasa manerana ny tontolo Silamo. Tsy mifanalavitra amin’ny teny malagasy ihany koa ny fanononana azy. Manerana ny faritra samihafa eto madagasikara dia miovaova arakaraky ny olona mamorona azy : KABAOSA – KABAOSY – KABOCHE etc…

Vita avy amin’ny kesika ary lava ny tenda, 6 ny tadiny (cordes ) izay matetika ny kabôsy ampiasain’ny  Sakalava.

DOANY BEZANO

FANOMPOA AO AMIN’NY DOANY BEZAVO TOERANA IANDOHAN’NY FANJAKANA  SAKALAVAN’I BOENY

Nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha – fitoambin’ny folo ka hatramin’izao dia tanterahana isan-taona aty amin’ny faritra Boeny ny Fanompoa araka ny nanaovan’ Ampanjaka Ndriamandisoarivo azy.

1.  Ny Fanompoambe dia isaky ny volana jolay no hanatanterahana azy ao amin’ny doany Miarinarivo Mahajanga; 2.  Ny Fanompoa-Valibolamena kosa dia atao isaky ny volana oktobra ao Bezavo Marambitsy.

Raha ao amin’ny doany Miarinarivo Mahajanga, renivohitr’i Boenfanatontosana ny fampandroana an’ireo “dady”, ny any amin’ny doany Bezavo Marambitsy kosa no tanterahana ny Fanompoa-Valibolamena izay hafa nohon’ny fampandroana an’ireo dady satria dia ireo taolam-balon’ny Ampanjaka mihitsy no karakaraina; taolam-balo izay voatahiry ao amin’ ny Zomba izay voafefy indroa mihatoana amin’ny Fiaromby, fefy izay mamaritra ny toerana masina.

Ny atao amin’izany dia ny fandrakofana lamba ny taolam-balon’ireo Ampanjaka voalohany ao amin’ny Zomba izay misy itovizany amin’ny famadihana any Imerina;

Ankoatry ny endrika fanasinana dia lanonana fanamarihana ny fitohizan’ny fanjakana sy fampiraisana ny Sakalavan’ny Marambitsy sy Boeny iray manontolo ka hatrany Ambongo, ny Fanompoa

Hita taratra amin’izany ny fiaraisan-kinan’ny vahoaka ao amin’ny tananan’i Bezavo, izay ahitana ireo vehivavy mitafy lambahoany maro loko sy ireo lehilahy misikina kitamby. Hajaina mandritry ny lanonana Fanompoa ny fomba fitafy sy ny fanajana ny fady toy ny tsy fanaovana kiraro;

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy no tanterahina ny tsimandrimandry.

Dihy sy hira mandra-marainan’ny andro no atao hiandrasana ny andron’ny Fanompoa, izay manova endrika ny tananan’i Bezavo, tanàna kely nipoiran’ny fanjakana sakalavan’i Boeny.

Ny alatsinainy dia milahatra mitanjozotra manantona ny manda ny vahoaka no sady miantsa sy mitehatehaka arahin’ny poabasy atifi-danitra.

Mbola hita ao amin’ny manda ireo sajoa tranainy sy fitaovana an-dakozia nampiasain’ireo Ampanjaka taloha.

Miditra ao amin’ny manda ny mpilanona ary ireo mpandraharaha vitsivitsy kosa dia mankao amin’ny Zomba masina hanatanteraka ny fomba fandrakofana lamba ny taolambalon’ireo Ampanjaka voalohany nitondra an’i Boeny. Aty ivelany kosa ireo mpilanona dia manohy miantsa sy mandihy ary mandrombo sy manaramaso ny fomba rehetra fanao amin’izany.

Ny ao amin’ny doany Miarinarivo Mahajanga dia ny Printsy DJAOFENO  Richard

no mpandova ny taranaky ny Ampanjaka Ndriamifehinarivo; Ao amin’ny doany Bezavo kosa dia ny prinsesy Yamina Saïd no manohy ny fitohizan’ny Fanjakana nolovainy tamin’ny Ampanjaka Ndriamandrantsiarivo. Izy mianaka ireo dia samy taranaka ny Ampanjaka Ndriamandisoarivo mpanorina ny fanjakan’i Boeny.

DRCP Boeny

One Response to Ny Fiavian’ ny Sakalava Boeny

  1. mamitiana fred eric dit :

    iza anga azafady nandimby ani mpanjaka andrianavitanarivo??

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *