Cirque rouge

Isalo

Fitafy Malagasy

MALAGASY NY LAMBA

Amin’ny zavakanto nentim-paharazana amin’ny firenena iray ny « fitafiany », indrindra raha manana fitafiana mampiavaka azy amin’ny hafa izy. Ny lamba malagasy dia azo lazaina ho isany, satria vitsy dia vitsy eto ambany masoandro no manana io karazam-pitafiana izay noharin’ny maro amin’ny “toga” nentin’ny Romana fahagola, na ny « sari » indianina, ny « mantille » fitondran’ny andriambavilanitra espaniola. Nefa mbola hafa noho ireo rehetra ireo ny ravin-damba notenomina tamin’ny rongony na kiran’akondro, na landy. Ka antsasam-pahadimy  “roa refy sy sasany” no refin’ny lamba iray. Raha tsy natambatra roa mitovy avy amin’ny lavany mba ho efajoro tsotra izy dia mitohy indray dia atao hoe “lamba tohy loha” no anarany. Tsy mba fitafiana enti-mihaingo ny “lamba tohy loha”.

Tsy hilaza intsony ny momba ny lamba (fanenomana sy ny karazany) isika, fa ny fomba fitafin’ny Malagasy no horesahintsika eto amin’ity antokon’ny zavakanto nenti-paharazana ity.

Mizara roan y fomba fitafin’ny Malagasy teto Imerina: “asampina” “isikinana”

 

FITAFIN’NY LEHILAHY

Misy efatra ny fomba fisampin’ny lehilahy lamba: “Sampin-kavanana” – “Sampin-kavia” – “Sampindroa” – “Sampim-balaka” Sampin-kavanana Asampina tsara miankavanana ny lamba, izany hoe, asampina avy any an-damosina; aantona avy ao antsoroka, ka avela hikiraviravy, ny Tanana havia amin’izany, mihazona ny ilany aty anoloana, fa ny Tanana havanana kosa, mitana ny ilany iray, sady manasampina azy mankany amin’ny soroka havia manindry ilay efa eo. Sampin-kavia Mifampisolo ny Tanana, ka ny anjaran’ny havia dia ataon’ny havanana, ary ny Tanana havia izany no manasampina ny lamba hiakavanana. Ity sampan-kavia ity, dia fisampin’ny olona kavia, no sady hizaran’ny olona tia haingitraingitra taty aorina rehefa tsara akanjo ny olona. Betska ny karazan-damba vahiny mampiseho soroka havanana, indrindra ny tovolahy mpihango mba hisehoan’ny tena. Sampin-droa Afoloka miakatra avy any an-tsoroka havia ihany indray ny zoron-damba: raha sampan-kavanana, dia akarina amin’ny soroka havia, raha samy afolaka an-tsoroka roa kosa izy roa, dia izany no atao hoe: “sampan-droa” na manao “fola-droa” no filaza azy. Ny lehilahy lehibe mihaja indrindra no misampina toa izany. Sampim-balaka Ilay fola-damba kosa no alefa any ambany helika, fa ny anankiray atao an-tsoroka ihany. Ny olona manao raharaha andavan’andro no manao ity. Raha mangatsiaka ny andro dia isaromana hatrany an-tampon-doha ny lamba. Ny lehilahy tsy dia be resaka ihany koa no misarom-bava.

 

FITAFIAN’NY VEHIVAVY

Tsy mamolaka lamba fa dia nasarebany fotsiny amin’izao ny lamba, na mba nisy noraisina ihany koa, saingy mba nataony niakatra kely ny ilany, ka indraindray dia atao amin’izay maha-mevameva ny bika.

FOMBA FISIKINANA

Misy fomba efatra ny fomba fisikinana: “sikim-ponitra” – “sikin-dahy” – “sikim-bavy” na “sikin-tratra. “Sikim-balaka”: Ahodina amin’ny valahana ny lamba ka ampifanindrina, sady indray aforitra kely ny sisiny, ka asisika tsara tsy hivaha. “Sikim-ponitra”: Dia tahaka io ihany, saingy atao mafy tsara. Fomba fisikinan’ny olona mivonona hanao asa mafy. “Sikin-dahy”: Mitovitovy amin’izy roa ireo ihany koa, fa araka izany anarany izany, dia ny lehilahy no mpisikina azy, na dia manao toy izany indraindray ihany koa aza ny vehivavy. Sikim-bavy” na “sikin-tratra” Akarina hatrany ambany helika kosa ny sikina amin’io, dia toy izany hitantsika tazomin’ny vehivavy tanindrana.