RAKOTONOMENJANAHARY Dieudonné « NDREMATOA »

Teraka tamin’ny 16 oktobra, ny taona 1956 teto Antananarivo RAKOTONOMENJANAHARY Dieudonné na i « NDREMATOA ».ndrematoa Olona tsy be teny sady tsy miavona fa amin’ny alalan’ny sary no anehoany izay ao an-tsainy.

Ny asany :

1978-1981: Mpanao « sérigraphie »  ( Tee-shirt, mouchoirs) tamin’ny toeram-piasana ana-karana iray teto Antananarivo.

1982-1986: Mpanao sary itatra tao amin’ny D.I.P.P. (Direction de la Presse et des Publications) tao amin’ny Minisiteran’ny Filazam-baovao : Ny gazety ATRIKA sy ny gazety TOLOM-BAHOAKA no nivoaka tamin’izay.

Tetsy an-danin’izany dia mpanoratra tantara an-tsary tao anatin’ny gazety « EH ! » ihany koa izy, izay gazety navoakan’ny famoaham-boky « HORAKA ! », dia niova ho famoaham-boky « EH ! » taty aoriana.

1986 : « dessinateur – maquettiste »  tao amin’ny orinasa iray.

Ny taona 1987  ka hatramin’izao : dia miasa ao amin’ny I.F.M. (C.C.A.C. teo aloha) ary mbola manohy ny asa fanaovan-tsary.

Fiainany ny kanto :

Vao 6 taona monja izy dia efa nitsimoka tao aminy ny fitiavana manao sary. Ny nataony tamin’izany dia ny nanaraka tamina arina (charbon) ny aloky ny ankizy namany iray, izay tarafin’ny hazavana avy amin’ny andrin-jiro teny amoron-dalana. Asainy miala ilay ankizy avy eo ka fenoiny arakaraka nytoetr’ilay aloka ny ao anatiny.

Nampiana-tena (autodidacte) i NDREMATOA ary nandray anjara betsaka tamin’ireo fampiofanana momba ny tantara an-tsary (Bandes dessinées) izay nokarakarain’ny I.F.M.

Mampiavaka azy ny fanaovana sary mainty sy fotsy ao anaty kiefitrefitra (cases) sy ny fanehoana ny fiainan’ny olona eny ambany tanàna.

Nandray anjara tamin’ny fifaninanana maroisan-karazany izy. Ireto avy ireo loka azony :

-       2008 : « Trophée du meilleur B.D.-iste de la Grande île » -       1989 : « Diplôme d’encouragement » natolotry ny Minisiteran’ny Fanolokoloana sy ny zavakanto revolisionera. -       1986 : Voafidy ho mpisolo tenan’ireo nosy aty amin’ny Ranomasim-be Indiana nandritra ireo « Festivals internationaux de la B.D. d’Angoulême » andiany faha-13. -       1985 : « Lauréat» tamin’ny fifaninanana « Bandes Dessinées » nokarakarain’ny Foibe ara-tsaina C.C.A.C. (Centre Culturel Albert Camus).

 

Boky misy ny sangan’asany:

-        2013 : TANA BLUES. Edition: L’Harmattan BD-ISBN-978-2-336-00265-1 -        2010 : DICTIONNAIRE LAROUSSE DE LA BANDE DESSINEE -        2008 : VENDETTA. Edition : Tsipika- ISBN-978-2-912290-78-6 dépôt légal : 10/01/08 -        2005 : P’TIT LUC PRESENTE : LES AFRICAINS DESSINENT L’AFRIQUE – B.D.Africa- édition : Albin Michel-ISBN-2-226-158146 dépôt légal : 06/2005 -        2005 : CITRON - Centre Culturel Albert Camus - réalisation - Impression : 01/2005-dépôt légal : n°90 -        2005 : MADABULLES 2005 -BD AUJOURD’HUI A MADAGASCAR - Centre Culturel Albert Camus- réalisation et impression : 12/2004-dépôt légal n°79 -        1997 : LES JEUX SONT FAITS - l’album des troisièmes jeux de la francophonie avec le Centre Culturel Albert Camus, Le Ministère Français de la Coopération d’Action Culturelle à Madagascar.

  Ses extraits d' oeuvres
NextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnailNextGen ScrollGallery thumbnail
kafe-copiemifidy-copiemoa-mba-fantatrao-ve-copieno-comment-2-copieno-comment-3-copieno-comment-4-copieno-comment-5-copieno-comment-6-copieno-comment-7-copieno-comment-copieprof-betroka-1-copieprof-betroka-2-copieprof-betroka-3-copiesocial-ruralsomonga-copietaolana-ny-nify-copietaratra-tsikera-ezaka-copievaky-pneu-copie
Revenir à la page précédente