Tantaran-drazana sy fomba amam-panao ANTEFASY

NY ARA-TANTARA

Alohan’ny hidirantsika amin’ny lafiny ara-tantara, dia tsara angamba ary sady heveriko fa mety raha ny fomba fiarahabana no atolotra antsika eto am-piandohana. Azo lazaina manko fa ny FIARAHABANA no kofehy mampifandray ny olombelona voalohany indrindra. Raha jerena amin’ny ankapobeny dia mizara roa ny fomba sy endrika isehoan’ny fiarahabana (otsafa no iantsoany azy). Ny voalohany dia ny otsafa andavan’andro, ary ny faharoa dia ny otsafa raha misy vahiny na olona ela tsy hita.

1-Ny fiarahabana na otsafa andavan’andro.

Marihiko dieny eto am-piandohana fa amin’ny foko antefasy dia ny tompon-tany na ny tompon-trano no miarahaba ny vahiny aloha. Atombotsika amin’ny fiarahabana vao maraina izy ka hatramin’ny alina alohan’ny matory olona.

Toy izao ny manomboka amin’ny mifoha olona ka mandra-piverina any an-tsaha; eny an-dalana izany na eny an-tokotany: -Akôry aby anareo lahaly? -Tsarabe avao ahay lahaly! D’akôry aby koa anareo lahaly? -Tsara be avao ahay lahaly! Araka ny fomba moa, dia matetika ny kely no manotsafa alohan’ny olon-dehibe. Toy izao indray ny manomboka amin’ny sivy ora maraina eo ho eo ka hatramin’ny matory olona: -Akôry e lahany? -Tsarabe avao e lahany! Akôry koa anareo lahany? -Tsarabe avao ahay lahany! 2- Ny fiarahabana vahiny na olona ela tsy hita noho ny toerana ipetrahana. Toy izao ny fanombohan’ny tompon-trano azy na ny tompon-tany: -Finaritry? -E! -Akory e tsara, ahay k’d’itoa, dia anareo any zay aby koa akôry? -Tsarabe avao, any avao k’da mitsangatsangany aminareo aty! -E! mitsangatsangany zay da izay e tsara! Ino aby e vaovao izy ame maresaky? -Da tsy misy f’apola manginy!

Raha ohatra ka olona maro no miarahaba, dia ny hoa: finaritry ihany no ataon’ny besinimaro fa olona iray ihany no mitondra ny otsafa. Raha ny otsafina indray no maro dia olona iray ihany no mamaly misolo ny namany rehetra.

Toy izao indray ny fomba fiarahabana raha ohatra ka olona ao anatin’ny fianakaviana izay ela nandehanana no otsafina: -Finaritry? -E! -Akôry e tany, itoa avao k’d’e nombany tany elabe zay aby koa akôry -Tsarabe avao e tany, tany avakoa k’da nieriny! -E! nieriny zay sa rô da izay e tsara…

Raha ny olona ao Farafangana anefa no jerena dia fomba tsotra ihany ny azy ireo no anaovana ny otsafa. Tsy dia manaraka ilay fandehan’ny otsafa andavanadro voalaza ary ambony. Toy izao ihany ny azy ireo:

-Akôry aby (anareo) -Tsarabe, akôry aby koa anareo -Tsarabe avao!   NY FIANDOHAN’NY FOKO ANTEFASY Avy aiza moa ny foko Antefasy? Sarotra dia sarotra tokoa ny mamaly an’io fanontaniana io, kanefa araka ny tadidy azo avy amin’ireo zokiolona vato namelan-kafatra dia toy izao ny filazany azy:

Lehilahy iray antsoina hoe INDREDAVA mpifindra monina avy any amin’izany toerana antsoina hoe: EFESIE (mety tsy ho marina io fanoratana azy io) any Afrika izany no tody tao amin’ny moron-tsiraky Mahajanga. Toerana iray antsoina hoe Efasy izany no nonenany tao; ary io dia eo anelanelan’I Mahajanga sy Antsiranana (Diego). Tsy irery anefa Indrendava tao fa nanambady an’izany vehivavy antsoina hoe: RALISOA izany. Nony ela ny ela dia niteraka telo mirahalahy izy mivady ireo, ka ireto avy anarany: INDRETSILEO, INDRETSILAVIRA, INDREMBOLANONY.

Nony taty afara anefa rehefa lehibe daholo ny zanak’izy ireo, dia nanapa-kevitra Indredava rainy fa handao an’I Efasy. Ary dia tanteraka izany zavatra izany, ka dia nilaozan’izy ireo hatreo I Efasy tany nahabe. Nizotra nanaraka ny moron-driaka nianatsimo andrefana iny ny dian’izy ireo. Tafaraka tamin’ireto fianakaviana ireto koa izany lehilahy antsoina hoe: RABEHAVA izany. Tao Androy no notoby izy ireo tamin’izany fotoana izany.

RASIRANA Marihina fa ef nanambady anankiray Indrembolanony talohan’ny nialan’izy ireo an’I Efasy. Vehivavy avy any Antsirana no vadiny; ary ny anaran’io vadibeny io moa dia Rasirana. MAHAFALY

Araka ny voalaza dia tany Androy no nilasian’izy ireo, ka araka ny voalazan’ny mpitantara dia tao Mahafaly no nonenan’izy ireo rehefa avy nijanona kely tao Morondava. Tamana soa aman-tsara tamin’io toeranaio, hono, Indrendava mianakavy. Na dia izany aza anefa dia tsy naharitra tao izy telo mirahalahy zanany sy Rabehava ka dia voatery nandao azy mivady.

RANDROY Talohan’ny niaingan’izy ireo tao Androy dia naka vehivavy faharoa indray Indrembolanony, ka ny anaran’ity vadimasay ity dia Randroy.

Nizotra nianavaratra atsinanana ny dian’izy ireo tamin’izany fotoana izany ka tody tao Ranotsara ao atsinanan’Ekora  (faritany Bara). Nony tonga tao izy ireo dia nanao fanekena fa hihavana amin’ny Bara Zafimanelo. Ny antoky ny fifanekena dia izao: raha misy maty amin’ny andaniny n any an-kilany dia tsy azo lazaina ho faty raha tsy atrehin’Indrembolanony sy Rabehava.

      Ny nahafatesan’Indrendava

Nony taty afara ary dia maty Indrendava rain’Indrembolanony. Araka ny fifanarahana efa vita dia tsy maintsy hampandrenesina ary tsy maintsy tonga eo Rabehava izay vao lazaina fa faty ilay faty. Araka ny tadidy moa dia tany Androy ihany no nahafatesan’Indrendava, kanefa dia nalain’izy telo mirahalahy ho tonga tao amin’ny toerana misy azy ireo. Rehefa tonga tao an-toerana ny razana dia tonga tao koa Rabehava; ary dia natao ny fombafomba amin’ny fahafatesana rehetra. Vita soa aman-tsara ny fandevenana an’Indrendava rain’Indrembolanony.

Taty afara anefa dia niova ny fandehan-javatra, satria nisy maty tao amin’ny fiaakavian’Drabehava kanefa tsy nampandre an’Indrembolanony izy. Reny ihany anefa io zavatra ion a dia nafenina azy nony taty aoriana. Nanomboka teo no nisian’ny tsy fifankahazoana tamin’ny roa tonta. Niafara tamin’ny fitsarana teo imasom-bahoaka ny raharaha. Tamin’izany fotoana izany moa dia ny tangene no solon’ny fitsarana tampony. Tsy nanaiky ny hitangena anefa Rabehava. Noho izany dia nilaza tamin’ireo rahalahiny Indrembolanony fa tsy afaka hiara-monina amin’ny olona nivadika fanekena. Tsy afaka nanaiky izany fanapahan-kevitr’Indrembolanony izany anefa ny rahalahiny (Indretsileo sy Indretsilavira) satria efa betsaka ny zanak’izy roalahy ireo no nanambady tao an-toerana. Teo indray izany ny toerana nisarahan’izy telo mirahalahy.

MAROFELA

Rehefa niala tao Indrembolanony sy ny vady aman-janany dia tonga tany amin’ny faritany Tanala indray. Nifanaraka tsara tamin’ny mpanjaka tao an-toerana izy.

Indray andro anefa, dia nandeha nnnihaza lambo ny zanaky ny mpanjaka tanala. Nasain’Indrembolanony niaraka tamin’ireo koa ny zanany. Raha nahita izany ny mpanjaka tanala dia izao no nolazainy an’Indrembolanony: “Izay zaza mahavoatora-lefona voalohany ny lambo dia zanaky ny zokiolona amintsika roalahy”

Rehefa tonga tany an’ala izy ireo dia nahita lambo ka dia samy nanenjika. Ny iray tamin’ny zanak’Indrembolanony no nahavoatombo-defona voalohany an’ilay lambo. Nony tonga tany an-tanàna izy ireo dia nolazain’ny zanaky ny mpanjaka tanala fa ny zanak’Indrembolanony no nahafaty sy nahavoatora-defona voalohany ilay lambo. Nanomboka tamin’izay dia lasa zokiolona Indrembolanony tany amin’ny faritany tanala. Na dia tsara anefa ny fifandraisany tamin’ny mpanjaka tanala, dia mbola tsy vonona ny hitoetra tao Indrembolanony ka dia nilaozany indray ny faritany tanala iny. Andevo maro dia maro no niaraka tamin’izany fotoana izany. Ny vadin’Indrembolanony fahatelo tamin’izany, dia vehivavy avy amin’ny foko Antevatobe (Karinga) taranaky ny Zafirambo. Ny anaran’io vehivavy io dia MAROFELA;

IVOHILAKATRA

Tao Ivohilakatra indray no toerana nivantanan’Indrembolanony sy ny vady aman-janany ary ireo andevo mpanaraka azy. Niady tamin’ny mponina tao izy ireo. Rehefa amin’ny ady antoandro dia resy Ivohilakatra fa  raha amin’ny alina kosa dia  resy ny tarik’Indrembolanony. Tsy haindry zareo manko ny ady maizina. Noho izany antony izany dia voatery nandao an’Ivohilakatra indray Indrembolanony mianakavy. Roso tokoa ny dia namonjy ny moron-tsiraka atsinanana.

MAHAVELO

Teny an-dalana dia nisy iray tamin’ny andevony naratran’ny lefona teo amin’ny feny. Voatery nijanona tao amin’ny havoaka kely anankiray izy ireo hitsabo ilay maratra. Teo amin’io toerana io no nahasitrana an’ilay andevo antsoina hoe Ralalomaly, teo no nahavelona azy ka izanyno iantsoana an’io toeranaiomandrak’androany hoe: Mahavelo.

MAROVATO

Tao Marovato (Evato ankehitriny) no toerana nonenan’Indrembolaniny sy ny vady aman-janany rehefa niala tany amin’ny tanala. Rehefa tonga teo Marovato àry izy ireo; ary tsapan’Indrembolanony fa tsara io toerana io, dia nanao kibory ao Madiolanitry izy. Vita izany dia nilaza tamin’ny vady aman-janany tamin’izay izy fa handeha haka ny fatin’Indrendava rainy. Lasa tokoa izy. Nony tonga tao amin’ilay havoana kely anankiray avaratr’Ivohibe anefasy izy dia nilaza hoe: “Aoka aloha aho hanerinerina eto (haka saina)”. Izany no tong any anaran’io toeranaio hoe: MANERINERINA na INDREMBOLANONY.

FAMINTINANA

Raha fintinina dia azo lazaina fa faritany maro dia maro tokoa no notetezin’Indrembolanony talohan’ny nahatongavany tao Marovato. Azo lazaina koa fa toerana samy hafa sady mifanalavitra no nakany ireo vadiny telo vavy dia:

                                     RASIRANA   ( avy any Antsiranana-Diego) RANDROY   ( avy any Androy) MAROFELA ( avy any amin’ny Tanala-Karinga)

Azo lazaina koa fa izy telo vavy ireo no niandohan’ny teny hoe: TELO TROKY ; ary dia samy nitondra ny anaran-dreniny avy ny terak’izy telovavy ireo. Ny teraky ny vadibe sy ny zokiolona dia avy eon y nanaraka azy, faralahy ny an’ny vadimasay farany.

NY FOKO ANTEFASY

Ataoko fa hitantsika izany ny toerana niavian’Indrembolanony sy ireo vadiny telo vavy izay avy amin’ny toerana telo samy hafa. Tany am-piandohana dia naira-nonina ihany ny zanak’izy telo vavy ireo. Taty afara anefa dia nisy ny nampiady azy ireo sy ny mpamendrofendro. Ary dia niafara tamin’ny fisarahan-toerana izany zavatra izany. Tsiahivina koa fa ny terak’izy telo vavy ireo dia samy nitondra ny anaran-dreniny avy, afa-tsy ny teraky Marofela.

ZANASIRANA

Ny taranak’Indrembolanony sy Rasirana no antsoina hoe : Zanasirana. Any amin’ny faritanin’ny Antemoro no misy azy izy ireo ankehitriny. Efatsy non anaran’ny tanàna misy azy ireo.

ZAFINANDROY na ZAZALAVA.

Ny taranaky Randroy sy Indrembolanony no antsoina hoe: Zafinandroy na Zazalava. Tsy dia niala lavitra loatra ny toerana misy ny Antefasy izy ireo fa nikisaka eny andrefandrefana eny. Eny amin’ny faritanin’i Zafisoro. I Mahafasa  no renivohitr’izy ireo.

ANTEFASY.

Ny teraky Marofela sy Indrembolanony no nijanona farany tao Marovato. Ankoatr’I Marofela dia mbola nanambady vehivavy hafa indray Indrembolanony; ka ny taranak’Indrembolanony sy i Marofela ary io vehivavy Betsileo avy any Isandra io no antsoina hoe: Antefasy.

TELO TROKY.

Ny maha-telo troky ny Antefasy dia izao:

Indrembolanony sy i Marofela niteraka roa mirahalahy, ka ny zokiny dia Indrendrafia izay vao INDREMAMORO. Niteraka hafa indray Indrembolanony sy ilay vehivavy Betsileo izay mitondra ny anarana hoe: Indremanaly.

Toa izao indray ny fizaran’izy ireo ny fanjakana: Indrendrafia no zokiny indrindra, ary dia izy no zoky amin’ny Antefasy. Izany no ipetrahan’ny ampanjakan’ny Antefasy eo Anosy renivohitra.

Indremanaly no lahiaivo sady nomena ny laharana faharoa amin’ny fanjakana. Indrendrafia sy Indremanaly ary Indremamoro no antsoina hoe: Antefasy telo troky.

Ireny aloalo telo hita mijoro etsy sy eroa ireny dia mariky ny Antefasy telo troky. Indremamoro izay faralahy no eo afovoany. Ary dia toa izany foana ny fomba fitoerany rehefa misy kabary na fivoriana. Eo afovoan’ny ampanjakan’Indrendrafia sy Indramanaly ny ampanjakan’Indremamoro. Amin’ireny saotra ireny dia  tsy misy afaka mamono omby anaovana ny saotra afa-tsy Indrendrafia irery ihany. Izy no mpanombilon’ny Antefasy telo troky.

Ny niavian’ny teny hoe: Antefasy dia ho hitantsika any amin’ny takila manaraka ihany.

Ny faritry ny Faritanin’ny Antefasy. Andrefana.

Ireto avy ireo mamaritra ny faritanin’ny Antefasy amin’ny sisiny andrefana: Vohilava, Enifampa, Volitara, Ivohitra. Tanimbary no mampisaraka ny faritanin’ny Antefasy sy ny Zafisoro.

Avaratra. Ny any avaratra moa dia I Loharano. Ny atsinanana dia ny Oseana Indiana. Ny any atsimo andrefana dia ny Vohitromby sy Ivandrika ary Manambato MANAMBATO Ny fitambaran’ny tanàna sy ny faritra manamorona ny renirano Manambato iny no antsoina hoe Manambato. Somary atsimo andrefan’I Farafangana no misy azy. INONA MOA NO ANTON’NY NAHATONGAVAN’NY ANTEFASY AMIN’NY TAPANY ATSIMO INY?

Taloha dia tao Enifasy daholo no toeran’ny Antefasy telo troky. Samy nitangorona tamin’ny tany lonaka be tanimbary manamorona no ony Manampatrana iny izay telo mirahalahy sy ny zandriny avy. Nitombo hatrany ny taranaka, noho izany dia voatery natao ny fizarana ny lova.

ZOKY BE TOA RAY:

Natao araka ny fomban-drazana àary ny fizarana ny lova. Izany hoe mandeha ara-pizokiana ny fisafidianana. Arak’izany dia Indrendrafiano nifidy voalohany dia nanaraka indray Indremanaly. Indremamoro no naka iza y tsy lanin’ireto zokiny roalahy voalohany.

INDRAVATANA. mbola manan-jandry indray anefa Indremamoro ka dia izy mirahalahy indray no nizara ka izay tsy tian’ny zokiny no anjarany. Voamafy tokoa Indravatana satria I Mangorohono (toerana faran’izay ratsy) no anjarany. VOHILAVA.

Nandao an’I Enifasy ny Lehilahy ka lasa nianatsimo andrefana nanaraka ny toerana manamorona ny ony Manambato iny. Fanalo (mpiady lefona) moa ny lehilahy ka tsy matahotra na inona na inona.

Havoana kely iray no hitany, teo izy no nanorom-ponenana. Io toerana io no antsoina hoe VOHILAVA, ankehitriny. Nofolahan’Indravatana ho tanimbary avokoa ny tany lemaka manodidina. Ary dia izany no tonga tanimbary iveloman’ny taranany ankehitriny.

Ity lehilahy ity izany no vy nahitana sy angady nananana an’I Manambato.

I ANAMPASY Havoana iray rakotr’ala eo andrefan’Anosy sy atsinanan’Anosivelo ary Atsimon’I Sahafoza no misy an’i Anampasy Havoana manerinerina ! Maitahiry ireo taolam-balon’ireo voaantso hiala amin’ity fiainana ity. Tsy iza akory I Anampasy fa ilay toerana misy ny kiborin’ny Antefasy, telo troky. NY KIBORY Araka ny voalazantsika tary am-piandohana moa dia mizara ho telo troky ny foko Antefasy: -          Indrendrafia -          Indremanaly -          Indremamoro Noho izany dia mizara telo koa ny kiborin’ny Antefasy: izany hoe samy manana isa-trokiny

Trano telo lehibe vita rindrim-bato ary tafo vy fotsy ireo kibory ireo. Taloha dia io telo io ihany no kibory niombonan’ny fokoAntefasy rehetra. Taty aoriana anefa noho ny fihitaran’ny taranaka  dia nahavita kibory ho ary ireo koa ny Antefasy any Manambato.

Ireo avy any Manambato ka monina aty Enifasy dia manana ny kibory manokana koa. Ambalateza no anaran’io toerana io. Tsy aiza no misy azy eny Anapasy ihany koa, fa eo avaratry ny koborin’ny telo troky.

ANTEMANAPATRA Ny Antefasy monina amin’ny faritra manamorona ny renirano Manapatrana no antsoina hoe: Antemanapatra. ANTEMANAMBATO Ireo izay mitoetra sy mipetraka amin’ny toerana lalovan’ny renirano Manambato iny no antsoina hoe: Antemanambato. NY AMPANJAKA

Ny Antefasy telo troky dia samy manana ny ampanjakany avy. Ny troky tsirairay avy dia mizara ankolafiny maromaro ara-taranaka avy. Ireo fizarazaran’ny troky izay ireo sia samy manana ny ampanjakany avy. Ireo Ampanjakany ireo anefa dia ny vahoaka no mifidy.

NY LONAKA Ny Trano fonenan’ny Ampajaka no antsoina hoe: “LONAKA” NY TRANOBE

Ny olona iray lonaka doa mbola mizarazara ho tranobe maromaro. Ny tranobe moa dia trano iombonan’ny fianakaviam-be iray ka ny zoky olona amin’izy ireo indrindra ni motana ny tranobe. Raha tsarina dia ny olona izay lova na iray hosim-belatra no antsoina hoe iray tranobe.

IANDRAMBO

Maro dia maro tokoa ny Ampanjakan’ny Antefasy. Fitolahy anefa no tena lehibeny ary ireo fitolahy ireo indray dia mbola misy Ampanjaka be iray . NY tena Ampajakan’ny Antefasy dia eny Anosy renivohitra no misy. Satria eo no misy ny zoky amin’ny telo troky.

Anisan’ny Ampanjaka nanana ny lazany tokoa IANDRAMBO izay maty no vonoina tamin’ity raharahan’ny Ankarimalaza tamin’ny taona 1982 tany ho any. “Ao amin’ny fomba amam-panao no ahitana ny antsipiriany”.

FARAFANGANA Inona no nahatonga ny anarana hoe Farafangana? Maro dia maro tokoa ny filazan’ny mpahay tantara ny momba an’izany zavatra efatra samy hafa no hita sy tsapa. Andeha halahatra araka ny maro mpiteny sy mpahalala izay ireo. Ny voalohany sady maro mpiteny dia ny toy izao:

Nisy, hono, sambo aglisy antsoina hoe Zanzibar niantsona teo amin’ny ranomasin’I Farafangana. Nony tonga teo ireo mpiantsambo dia niantso ny tompon’ny vinany na seranana. Nandrha ny zokiolona tamin’ny Antefasy. Vao nandeha anefa izy ireo dia napoakan’ny Anglisy ny tafondro. Niverina ilay voalohany. Rehefa tsy nisy sahy intsony dia lasa indray ny zandriolona tamin’izy teraka iray (iray tampo). Izany Ingahy Fara izany no nandeha niaraka tamin’ny vantan-dehilahy vitsivitsy. Na dia nidobodoboka azan y tafondro dia lasa ihany izy: ary nony farany dia tody teny amin’ilay sambo. Nanontanian’ireo vazaha ireo ny anarany ka dia nolazainy hoe: I Fara. Lehilahy mahery fo ianao ry Fara, hoy ireo vazaha matsy azy. Noho izany dia izao anio izao no fara fiainganao ety amin’ny sambo. Ianao no tompon’ity serananana ity. Na dia tonga eto aza izahay, hoy ireo, vazaha ireo, dia aza mandeha ety intsony ianao. Izany hoe: izao no fara fihainganao ety.

Nanomboka teo sia raikitra ny teny hoe: Seranana fara fiainagana seranana fara fiaingana. Niova hatrany moa io fiteny io ka dia lasa hoe: FARAFANGANA. Ingahy Fara io dia avy amin’ny zanamarotsiny ao Anosy renivohitry ny Antefasy.

Bandiam-bady maro no azon’I Fara sy ireo mpanaraka azy teny amin’ny sambo, ka dia nozarain’ny Antefasy telo troky sy ny Rabakara. Izay ny tantara maro mpahalala sady mpiteny.

Toy izao indray ny faharoa

Betsileo pmitady ravinahitra ho any Atsimo, kanefa nony tonga teto Farafangana izy ireo dia tsy afaka nandeha intsony satria nisy ala be nikitroka ny tapany atsimo. Dia nilaza ary izy ireo nanao hoe: “Eto no fara fiaingana”. Koa dia raikitra tokoa ny anarana hoe: FARAFANGANA.

 Toy izao indray ny fahatelo,

Noho,io ala io ihany, hono, sy noho ny ady ny nofanaovan’ny Merina ny Antefasy dia tsy afaka nandeha tany amin’ny tapany Atsimo intsony ny tafiky Radama faha II. Teo indray no nahateraka ny fitenenana hoe: fara fiangan’ny tafiky Radama II taty Atsimo. Nony taty afara dia lasa fotsiny hoe: FARAFANGANA.

Ny fahefatra farany dia tsy be mpiteny loatra dia ny hoe:

Faran’ny fanao (nenarana) satria lany ny ala nony taty aoriana ka maty lany taming ny fanano izay nahatonga ny teny hoe: fara fanano.

Taty afara dia toy izao ny fiteny : FARAFANGANA

Anjaranao mpamaky ny misaina na mamotopototra izay tena marina amin’ireo voalaza ireo.

ANAMBAHA

Ala mikitroka  hono no tamin’io Farafangana ankehitriny io. Ny teo amin’ny toerana lisy ny fonenan’nyBen’ny Fileovana ankehitriny io no tena betsaka vaha (lianes) indrindra. Rehefa handeha amin’io toerana ion y olona dia milaza hoe ho Anambaha. Dia izany indrindra no nahatonga ny anaran’i Farafangana ho Anambaha.

Mandrak’androany dia mbola manaporofo fa ala feno vaha tokoa ny tananan’ny Farafangana taloha iray tananan’ny Rabakara antsoina hoe: Ambohibe miorina eo amoron’I Manambato.

ANOSY SY NY MPANJAKA FITO LAHY

Taloha dia tsy Ivohibato no nonenan’ny Antefasy. Ny Antefasy sy ny Zanasirana no niaraka nonina tao, ary mandrak’androany dia mbola mipetraka ao Fotokano, ny sasany amin’izy ireo. Nony el any nipetrahan’izy ireo tao Evato dia hoy ny Zafisoro tamin’ny Zanasirana “Iadio io zandrinao io far aha resinao io dia ianao no ataontsika ampanjakabe’Enivato. Tsy nanaraka izany torohevitra izany anefa ny Zanasirana. Rehefa hitan’ny Zafisoro fa tsy nety azony tamin’ny tetika voalohany iny ny Zanasirana dia novena indray ny paika ka izao no nataony: Andeha isika, hoy izy, hihavana, amin’izay tsy havanao intsony ny Antefasy. Ity hevitra faharoa ity no nahasintona ny Zanasirana. Rehefa fantatry ny Zafisoro fa nanaiky an’io hevitra io nv Zanasirana, dia  natao ny fotoana hihaonana hanaovana ny fihavanana. Nony tonga àry ny andro anaovana ny fihavanana dia tonga teo dahalo ny roa tonta. Raha fihavanana moa no resahana dia tsy maintsy ao izay ny toaka. Kanjo tamin’io dia efa nifandamina ny Zafisoro rehatra ka ny fanolo dia efa vonona tany amin’ny toerana mangingina; ary ny fetra dia ny hoe: raha misy poa-basy dia tongava hianareo fa efa mamo daholo izay ny Zanasirana. Tamin’io tokoa mantsy dia rano  ampango ihany no nosotroin’ny Zafisoro fa ny Zanasirana tsy nana-po fitaka dia niboboka toaka. Nony Hitan-dry zareo Zafisoro fa efa betsaka no mamo toaka, dia napoaka tamin’izay ny basy. Niaraka tamin’izay dia tong any fahavalo ka nitetika ny vantan-dehilahy tamin’olona vitsivitsy tsy mba misotro toaka no afaka nandositra ka dia nandao tanteraka an’I Enivato izy ireo ary soa ihany, hoy izy ireo,fa tsy niady tamin’ny zandrintsika isika…..

Izany hono no nahatonga ny Tanasirana monina any amin’ny faritra manamorona ny renirano Manandria. Tamin’izay fotoana izay dia mbola nisy ihany Antefasy vitsivitsy tafajanona tany Evato.

ANOSY

Araka ny voalaza ery ambony dia tany Ivohibato na Enivato ankehitriny no nitoeran’ny Antefasy. Rehefa tao anefa izy, ka el any ela dia nisy izany foko atao hoe Vohilakatra izay nanafika ny Antefasy isaky ny alina. Rehefa antoandro anefa izy ireo dia resin’ny Antefasy. Toy izany foana ny fomba nataon’ny Vohilakatra namelezana ny Antefasy; ary dia nisy vatan-dehilahy maromaro matiny tamin’izany.

“TOLANO na FANIHILAHY”

Nisy anefa izay lehilay iray antsoina hoe: Tolano (Antefasy) izay mandeha mamandrika ramanavy aty ambany aty isan’alina. Noho izany mpamandrika fanihy io no nahatonga ny anarana hoe: Fanihilahy. El any ela dia nahita nosy izay io lahilahy io ary nisy fahiny betsaka tamin’io nosy io. Teo am-pahitana an’io nosy io no lasa  ny eritreriny. Tsaroany ny fahorian’ny Antefasy mipetraka any Enivato. Ndeha, hoy izy, ka holazaiko ny Antefasy hoe misy nosy mahafinaritra ary, ary dia tena mahavelona antsika soa aman-tsara. Marihina anefa fa efa nisy olona nipetraka tamin’io nosy io. Araka ny tadidy dia ny Vazimba no nonina tao.

Nony nandre ny tantara nolazain’I Telano ary ny Havana rehetra dia lasa niaraka taminy nanorim-ponenana tamin’io nosy io.

Tao an-dohavato no nonenan’izy ireo sy ny Vazimba. Novonoin-dry zareo anefa ny Vazimba nony taty aoriana ka lany taminga. Nisy ozona anefa, hono, nataon’ny vazimba: satria ianareo, hoy izy ireo, namitaka anay dia tsy maintsy ho fitahan’olona koa any afara. Notrandrahan-dry zareo natao tanimbary ny tany lemaka rehetra manakaiky ny ony Manapatrana rehetra iny.

Nony htan’ny Antefasy sasany tafajanona tany Aenivato fa tamana ireo rehetra izay lasa dia nandao tanteraka an’I Enivato ny Antefasy rehetra ka samy naka izay toerana tiany ara-trokony avy.

Tao ny nivantana tao Enivoay, Fandalava, Enivotry, Sahafosa, Marolava, Pakaronga, Ibakaka, Anakatriky, Mandatsa, Vohilava, Volitara, Enifampa ary i Manambato rehetra iny. NY MPANJAKA : FITO LAHY.

Araka ny voalaza any am-piandohana dia maro dia maro tokoa ny Ampanjaka Antefasy, kanefa ny fito no tena malaza sy ambony indrindra, ary ny nahatonga an’izany no hojerentsika.

Voalaza moa fa ny Andrendrafia no zokiny indrindra amin’ny Antefasy. Koa rehefa tonga teo Antefasy dia nisy lehilahy atao hoe Imbanara (Andrendrafia) izay nanambady an’izay viavy atao hoe Sonanga izany.

Tsy niteraka I Sonanga io, ka farany dia nanolotra an’i Soabe havany hovadian’i MBANARA. Tonga dia nitera-dahy i Soabe sy i Mbanara. Taorian’io anefa dia niteraka zazalahy koa izy roa (Sonanga). Gaga ny olona satria ny vadimasay no niteraka zokiolona. Nilaza anefa i Sonanga fa ny teraky ny zandry dia zandry ihany ary ny teraky ny zoky dia zoky ihany, noho izany dia ny terak’i Sonanga sy i Mbanara ihany no zoky.

INDRENDRAFIA SY INDREMANORO.

Izy ireo dia olona iray tam-po kanefa Indrendrafia no zoky. Indremanly dia zanaky ny mpirafy amin’Indrendrafia sy Indremamoro izany hoe hafa reny Indramanaly.

NY FIZARAN’NY FANJAKANA.

Noho ny maha-zoky an’Indrendrafia izay nisy an’Imbanara dia tao no nisy ny Ampanjakan’ny Antefasy (zokiny). Avy eo dia nizara ny fanjakany tamin’Indrendrafia (Ao Anosivelo) koa Imbonara. Io izany ny ampanjaka faharoa.

Rehefa nahazo ary Indremanaly dia nanome fanjakana an’Indremanoro zandriny tamin’izay Imbanara. Izy no mpanjaka fahatelo.

Nony nahazo indray Indremanaly dia nizara ny fanjakana tamin’ny zandriny atao hoe Ralahimity eo Pakaronga. Izy izany no ampanjaka fahaefatra.

Taty afaran’io indray dia mbola nizara ny fanjakany, Imbanara, ka ny zandriny terak’i Soabe no notolorany ny fanjakana fahadimy. Mba hizara tamin’ny zandriny indray anefa Indremanoro ka i Makazo eny Mandatsa no nomeny ny ampanjaka fahenina.

Nisy anefa zandrin’Imbanara nahery tamin’ny ody lefona. Noho izany antony izany dia voatery ny zokiny naome azy ny Ampanjaka fahafito. Toy izany raha lazaina amin’ny fomba tsotra ny nahatonga ny Ampanjaka fitolahy.

NY NAHATONGA NY ANARANA HOE “ANTEFASY” TSAJETSY

Araka ny tantara azoko tamin’ny Antefasy ati-dahy iray valovotaka tany Antalaha dia  toy izao ny nahatonga ny anarana hoe Antefasy:

Lehilahy iray mpiavy avy any Afrika amin’izany tanàna antsoina hoe Maka izany no tody tao Mahajanga, niaraka tamin’ny vady aman-janany sasany. Tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Efasy no nipetrahan’izy ireo. Io Efasy io araka ny tantaran’ny mpitantara dia ao amin’ny faritanin’ny Mahajanga.

Nony taty aoriana anefa dia nisy zanak’Indrendava anankiray, antsoina hoe: Indrembolanony niala tany Afrika indray. Nony tody tao Bibiaomby anefa izy dia tsy mamonjy ny toerana nisy ny ray aman-dreniny any Efasiny fa lasa nankany Antsirana (Diego). Tao, hono, no nakan’Indrembolonony ny vadiny voalohany antsoina hoe: Rasirana. Avy teo izy sy io vadiny io dia namonjy ny tanàna nonenan’ny ray aman-dreny (Efasy).

Rehefa nipetraka elaela tao izy mivady, dia niady ny aombalahin’Indrembolanony sy ny an’ny anabaviny. Resy, hono, ny ombilahin’Indrembolanony. Noho izany antony izany dia nandao an’io toerana io Indrembolanony sy Rasirana vadiny (angamba koa ny zanany). Nianatsimo no nizoran’izy ireo. Marihina anefa fa talohan’ny nandaozan’Indrembolanony an’io tanàna antsoina hoe Efasy io, dia nitondra halana (fasika) avy tamin’io tanàna io izy.

Tany Androy no nivantanany ary tao amin’io toerana io no nahitan’Indrembolanony ny vadiny faharoa antsoina hoe: Randroy. Avy ao Androy indrindra izy ireo vao nitodi-doha nianavaratra atsinanany ka tody tao amin’ny tanàna misy ny foko antsoina hoe: Antevatobe ao amin’ny faritanin’i Karianga. Tamin’io toerana io indrindra no nakan’Indrembolanony ny vadiny fahatelo dia IMAROFELA ao amin’ny Zafirambo avy amin’ny foko Antevarobe.

Tao izy rehetra ireo vao naira-nizotra niatsinanana. Raha tonga teo amin’ny renirano Manapatrana Indrembolanony dia nariany tao anaty rano ilay halana (fasika) nentiny avy any.

Efasy tanàna niaviana. Ka mba ho fahatsiarovan’Indrembolanony an’ilay tanàna niaviany dia nantsoiny hoe: Enifasy koa ny toerana nanorenany fonenana. Izany no nahatonga an’i Enifasy (Mahajanga), satria matetika dia ny anaran’ny tanàna na ny toerana nisy an’ilay olona ihany no tonga anaran’ilay foko. Ka ny Antefasy izay dia toy izao raha tsorina:

Ant.: tovana milaza fiaviany entina milaza fitambaran’olona. Efasy: milaza anaran-tanàna na anaran-toerana.

Tahak’izany araka ny fitantaran’Atoa Tsajetsy efa maty sy ny tombatombana nataon’ny tenako.

Hoy indray Iabatara Jean: Rehefa tonga teto Indrembolanony sy ireo vady aman-janany dia nanontanian’olona hoe:

“Laha taia ianareo? – Lahat’Efasy”. Izany hoe: avy any Efasy. Dia izany, hono, no nahatonga ny anarana hoe: Tefasy.

 

ANKARIMALAZA

Anisan’ny toerana manana ny maha-izy azy tokoa Ankarimalaza raha ny ara-tantara no tenenina. Ny antony dia tsotra ihany: tao no namonoan’ny tafika Merina avy any Antananarivo ny vatan-dehilahy maro dia maro.

ILALANDA.

Talohan’ny niadian’ny Merina sy ny Antefasy tao Ankarimalaza, dia efa nisy ihany ady nifanaovan’ny roa tonta teny Lalanda. Lalanda moa dia toerana iray ao Andrefan’i Mandatsa, ary atsinanana avaratry Vohilava.

Araka ny voalazan’ny mpitantara dia resy ny Antefasy tamin’io ady voalohany io, satria tsy nifandanja ny hery. Fa mba nanao ahoana kosa àry ny tao Ankarimalaza?

Ankarimalaza moa dia ao Atsinanan’ny Tanànan’i Tsararafa no misy azy. Tokony ho roan-jato metatra eo ho eo ny elanelany. Tamin’ny 11 Mety 1852 ho mari-pitokiana sy ho fanabeazam-boha ny voninahiny teo imasom-bahoaka, dia nalefan-dRanavalona I hanafika taty atsimo atsinanana ny miaramilany.

Rainivoninahitriony sy Radifera (Rainilaiarivony) zandriny; ary Antsitohana no nitari-tafika.

Miaramila 9.000 no netin’izy ireo. Rehefa namakivaky an’i Betsileo sy ny Tanala ny tafiny dia nizotra nankany Imahamanina (Zafisoro) ary i Vangaindrano. Ny nokendreny tamin’izao dia ny hampaneky ireo tohana sasany mbola tsy mandry amin’ny faritanin’ny Antefasy.

Ny Alatsinainy 09 Aogositra 1852 dia tafavory teo avaratry Anosinandrambo izany hoe Anosy ankehitriny ny andian-tafika notarihin-dRainivoninahitriony. Tamin’io andro io anefa dia tsy heady no nahatongavany fa ny hihavana amin’ny foko Antefasy. Noho izany dia vory teo koa ny vatan-dehilahy Antefasy maro.

Ihandrambo no ampanjakan’ny Antefasy tamin’izany fotoana izany, ny lefiny ihany no nalefany tamin’ny voalohany, kanefa tsy nanaiky ny Merina raha tsy ny tenan’Ihandrambo mihitsy no tonga teo. Ireo Merina ireo dia tsy nahafantatra azy fa ny Zafisoro tafaraka tamin’izy ireo no nahafantatra an’ilay ampanjaka. Rehefa tonga teo ary Ihandrambo dia nalefa tamin’izay ny fisotroana toaka. Samy nisotro ny azy ny an-daniny sy ny an-kilany. Hay moa ranon’ampango fotsiny ny an’Imerina fa tsy tena toaka. Nony hitan-dry zareo fa mamo ny Antefasy dia natomboky ny tafika Merina tamin’izany ny ady. Vatan-dehilahy Antefasy maro dia maro no ripaka satria tsy nanam-po na inona na inona. Izay sisa tsy mamo dia nandositra. Ny ankizilahy latsaky ny 8 taona sy ny vehivavy dia tsy novonoiny fa nentiny natao andevo tany Iarivo.

Tao Ankarimalaza no nisehoan’izany zavatra rehetra izany, ary ao amin’io toerana io no nametrahan’Ihandrambo ny dia-tongony sy ny lohaliny ary ny tehiny teo amin’ny vatolampy ho fahatsiarovan’ny taranaka amam-para azy. (Ny tenako dia efa nahita izany zavatra izany). Talohan’ny nitondrahan’ny Merina azy no nametrahan’Ihandrambo an’io fahatsiarovana io.

Ireo vatan-dehilahy maro dia maro ireo dia nanaovana hady lehibe iray ary dia nototofana tao daholo. Toy izany ny tantaran’i Ankarimalaza araka ny nambaran’ireo zokiolona vato namelan-kafatra

IREO OLONA ROALAHY MANAN-TANTARA Iza moa izy ireo?

Tsy lavina fa maro dia maro tokoa ireo olona taloha no nanana ny maha-izy azy, kanefa dia ireto roa lahy izay somary tantara hafa kely ihany no arodo eto. Fandre matetika amin’ny fiainana andavanandro loatra ny anaran’izy ireo, ka izany no nanosika ahy hiteny momba azy mirahalahy eto amin’ity boky ity. Na dia ny tenako aza dia tsy nahita maso azy mirahalahy ireo. Fony mbola kely aho dia noheveriko angano fotsiny izy, hay tena olona nisy sy niaina tany ambony tany mihitsy.

Tsy iza akory izy mirahalahy ireo fa I POTIKIA izay antsoina hoe koa: laban’I Baby sy IABAN’I PAMANDRAKY. Samy lehilahy namela tantara izy mirahalahy ireo, satria nisy zavatra nampiavaka azy teo amin’ny fomba fiainany.

I POTIKIA

Tao fandalava no Tanàna nisy azy io, ary dia tao no nonenany. Ny nampalaza azy dia tsy inona akory fan oho izy mekany. Ary dia izany no niainany ka mandra-pahafatiny. Tsy dia hitako loatra ny teny hafa mahalaza ny hoe mekany ity. Ny olona mekany dia olona tsy mety mino tenin’olona n amino ihany izy fa raisiny ara-bakin-teny izay zavatra rehatra lazaina aminy. Andeha angaha haka ohatra kely tamin’ny zavatra nataon’I Potikia isika mba hanazava bebe kokoa. Indray andro dia nasain’ny ray aman-dreniny niandry trano izy. Satria fiandranan-trano no nampanaovina azy, dia io tokoa no nataony niandry ilay trano sao misy mibata. Ny akoho amam-borona miditra ao an-trano dia tsy ahoany. Raha tezitra azy amin’izany ny olona dia valiany hoe: “ny trano nasainareo nandrasako dia io ihany tsy nisy nangalatra sady tsy niova toerana, ka inona ny mampimenomenona anreo? Dia toy izany hatrany ny fomba fiainan’ity lehilahy ity fony fahazazany ka mandra-pahafatiny. Izany tsy fanarana tenin’ny olona izany no nahafaty azy tamin’ny ady nifanaovan’ny Zafisoro sy ny Antefasy. Aoka, hoy, fa tsy misy ny ady, kanefa ny olona efa samy romotra iny. Taonombok’olona lefona tamin’izany izy ka dia izay no niafarany.

Ao amin’ny lalana mankany Nosikely iny dia misy aloalo fahatsiarovana ity; ary dia matetika no misy olona manao sakandro ao.

I ABAN’I PAMANDRAKY

Tao Sahafoza indray no nisy an’ity lehilahy antsoina hoe Pamandraka ity. Ny nampalaza azy indray dia tsy inona fa ny fampitomboana so be loatra ny zavatra kely hitany.

Indray andro dia nandeha nanjonu izy mivady ka nahazo zopona anankiray kelikely ihany. Rehefa nitantara tamin’olona izay tsy nahita izy dia izao no lazainy. Nahazo zopona izaho omaly, hoy izy, ka ny sisik’io zopona io anankiray dia nahazaka anay mivady mandra-pahatonga ety an-tanàna. Izany hoe mitovy amin’ny lakan-kely izay ny sisik’ilay zopona anakiray.

Dia izany fomba izany no niainany mandra-pahafatiny. Abgamba no iazany no andrenesana matetika ny anaran’izy roa lahy eo amin’ny fiainana andavanandro mandrak’androany.

NY SAOTRY

Ny saotry tiany hambara eto, dia tsy ireo saotry na joro tsy madinidinika ataon’ny isam-pianakaviana, fa ny saotry n any joro lehibe iarahan’ny Antefasy telo troky manao. Azo lazaina fa ity no tena fombam-pivavahana manana ny maha-izy azy amin’ny foko Antefasy.

Eton y saotryy dia zo adika ho fiaraha-mivavaky ny daholo be. Ny zava-mahaliana angaha dia ny hahafantatra ny antony anaovana ireny saotry ireny. Misy tokoa manko toerana efa voatokana hatrizay hanaovana ity saotry lehine ity. Toy izao ny antony araka ny fanazavana azo avy tamin’ireo olona ray aman-dreny mpitahiry ny fomba nentim-paharazana:

Ny dikan’ny saotry dia fangataham-pitahina amin’ny Razana sy ny Zanahary

Tao Manerinerina no toerana farany fantatra momba ny tantaran’Indrembolanony. Mba ho fahatsiarovana sy ho fangataham-pitahiana amin’Andriamanitra sy ny razana, dia nasaina aloalo io toerana io ka isaky ny folo taona no anaovan’ny taranaky Ndrembolanony saotry amin’io toerana io. Fahatsiarovana sy fangataham-pitahiana no anton’io saotry eny amin’ny vohitr’Indrembolanony io.

SAOTRY AN’ALOALO

Nisy mpanjaka iray antsoina Iaban’I Meseba izany, niteny tamin’ny olona nanao hoe: “Raha maty aho dia heleveno eto amin’ny ala eto am-pasika eto ihany”. Dia nalevina tao tokoa izy rehefa maty, ary ny olona taty afara dia tsy nilevina tany Madiolanitry intsony fa dia nanaraka azy teo daholo.

Io toerana no antsoina hoe: Anampasy kiborin’y Antefasy

Izany antony izany no nanomezana an’io lehilahy ion y aloalo ao am-piboahâny. Ary sendra nisy valaneretina mahatsiravina tamin’izany fotoana saotry eo am-piboahany mba tsy hisy ny valanaretina mandoza (ny Rabetany no tompon’ny saotry amin’io toerana io).

NY SAOTRY ENY AMBINANY

Nisy, hono, sambo anglisy iray izany, niantsoina teo amin’ny ranomasina atsinanan’I Farafangana. Niantso ny tompon’ny seranana izy ireo  mba ho honga teny amin’ny sambo.

Imbanara zokiolona avy amin’ny Antefasy no lasa teny. Vao niala ny torapasika izy ireo, dia napoaky ny Anglisy ny tafondro. Tsy sahy Imbanara ka dia niverina.

Lasa indray Rabetany Lahivo, kanefa dia mbola tsy sahy toy ny zokint koa.

Lasa tamin’izay I Faralahy nont farany. Ireto moa dia teraky Ramarotsiny. Izany lehilahy antsoina hoe: Fara izany no nitarika ny solontena avy tamin’ny Ramarotsiny. Na dia nipoapoaka ny tafondro, dia lasa ihany izy ireo . Mazava arak’izany ary fa Ingahy Fara no tody soa aman-tsara teny amin’ny sambo. Ary dia izany no natao tompon’ny Vinany ao Farafangana. Izany no antony izany no nanomezana ny Saotry eny Ambinany ho an’i Marotsiny. Isaky ny Vomabitabe no anaovana ny Saotry eny.

NY SAOTRY ANKARIMALAZA

Rehefa misy  ny hain-tany tsy ahitana orana milatsaka, dia eny Ankarimalaza no anaovana ny satry ho fangataham-pitahiana amin’izany. Araka ny voalaza ny mpitantara vantany vao miala teo ny mpamonjy saotry dia latsaka tokoa ny orana.

Marihina fa tena vavaka sy talaho ary finoana tanteraka no entin’ny Antefasy telo troky manao izany saotry izany. Ary tsy maintsy misy ombalahy vonoina rehefa amin’ny saotry toy itony. Matetika dia omalahy Lelanary na Volambita no vonoina.

NY FOMBA AMAM-PANAO sy FAHENDREN-DRAZANA

TS’E TAREHY E VADINY F’E FANAHA”

Zava- dehibe tokoa ny fanambadiana tamin’ny Antefasy satria anotky ny ho avin’ny taranaka sy ny fianakaviana. Noho izany dia lafin-javatra maro no tsy maintsy nojerena alohan’ny hanombohan’ny raharaha.

Rahefa hitan’ny Ray aman-dRenin-dRazazalahy fa efa lahilahy lehibe tokony ho 20 taona eo ho eon y zanany dia lasa amin’izay izy mitaditady tovovavy ho vinantony. Talohabe tany moa dia ny ray aman-dreny izah no misafidy izay ho vadin-janany. Ireto avy ny fepetra tsy maintsy jerena mialoha, alohan’ny hanombohan’ny tena raharaha:

-          Ny firazanana izany hoe Tena Antefasy vas a olona tsy dia fantatra loatra? -          Ny Fananana: Manana tanimbary sy tanimboly ary trano ve izy ireo? -          Ny taranaka: Olona miteraka ve sa olona vitsy taranaka? Araka ny ohabolana hoe: “Ny hanambadian-kiterahana”. -          Ny fivelomana: Terak’olona mpiasa (matanjaka) ve izy ireo?

Farany dia tsy maintsy jerena koa ny toetry ny fianakaviana sy ilay tovovavy. Tsy mba mijery tarehy mihitsy ny taloha. Izany no nahatonga an’ilay ohabolana hoe: “Ny Fanahy  no vadina fa  tsy ny tarehy”.

Rehefa mahafa-po ny valin’ny fanadihadiana momba ireo fepetra voalaza ireo, dia miainga amin’izany ny ray aman-drenin-drazazavavy.

NY FILAM-BIVY

Eo amin’ny takariva eo ho eo no fotoana hanaovana ny fangatahana. Ny ray aman-dreny roa tonta ihany no mifampiraharaha amin’ny rehetra. Izay vita ihany no hambara amin’ireo tanora roa hivady. Tsy azo natao mihitsy ny nitsipaka ny fanapahan-kevitry ny ray aman-dreny tamin’izany fotoana izany.

Eo amin’io fisehoana voalohany io anefa dia tsy mbola misy zavatra tapaka. Mbola mangataka fotoana vitsivitsy hieritreretana aloha ny ray aman-drenin-drazazavavy.

Amin’izao indray dia anjaran’ny Ray aman-drenin-drazazavavy ny nanao ny fanadihadiana mikasika ny fianakaviana mpangataka ireto. Ny fepetra ilaina moa dia mitovy amin’ny voalaza ary am-piandohana ihany. Toy izao ny santionany amin’izany filam-biavy izany:

-          Finaritry? -          -E! -          Akôry e tsara be abako, any avao, -          K’da n’anaram-bolany: Aomby faha -          Tsara e tsara be abako, any avao -          K’da anaram-bolany: Aomby faha -          Hosy tsiriry fohavary, matoa nandeha -          Lahatany da manany anton-dia. -          E! mandeha lahatany abako fa manany -          Anton-dia da izany ê tsara. D’ino -          Aby e vaovao izy ame maresaka aminareo any ? -          Da tsy misy n’any f’da apola manginy -          Aby e vaovao izy ame maresaka aminareo any? -          Da tsy misy n’any f’da apola manginy -          Aby, d’e samby afinin’ity tonitony -           Tsara ity -          De samby izany aby! -          Eka rô! Ratsy e manano dian’a -          Mpindran-dakany izany. D’e zakako teo ka- -          Heny Matoa avy aminareo etoa, da -          Tsy mandehandeha fahatany fa manany anton-dia -          D’ity rô ne nahavy anaha aty: -          Misy zanako any, efa lelahabe. Da avy aho ity rô, izany -          Amin’azy iny zaniny hihila votry, hangataky doria, hihila -          Voritsihy atoa aminareo ata. -          E tomponn’izany zaka izany sakabako, -          De tsia fa e zokin-daza ame -          Zanakareo viavy. D’izany e nahavy anahy ity lahatany -          Avelako eo nanaha e tandro -          Eka rô, dia misaotra ten’Andriamanitry ane fanomezanareo voninahitry anay. D’e fomba io ataonareo io, laha avy lahatany anao izay iny izaniny hihila votry, hangataka doria atoa aminay atao -          D’e fisaorana eky abako ne bomeny anao. Da nahareny eky ahay, da n’anaram-bolany: E tampoky tsy mahalelaha -          De marena eky anao, f’apola hifampila hevitry aby eky ahay, laha afara dia mipodia avokoa. Izay rô n’anay -          O! rô da ts’apola mzava aminareo avokoa e zakako hakeny. Da lavitry ê misy anay n’any, da maro ê tranon’Antefasy etoa da n’anareo avao e nidirako, ame fitiavako anareo. Teko anareo amy vady atao, teko e tonitininareo. Da akôry koa n’ambola hanozanareo tany tady lava? -          Io anao io dia mariny sady mahitsy, fa izy e raha sarotry  e fanamabdiana, mila feverana, mila fandiniana. Da n’arambolany: asa indrainy andro tsy mahavelom-bady. Da merena avokoa laha afara. F’izy io hareny manam-bava k’da hiera amin’azy eke ahay, -          Aha! D’efa iaho avao e tsy tenareo ho eo d’akotry koa marô e -          Zakako lahany zay n’ambola nampiviony anareo atsy, ary. Iaho mandeha toa lahatany aza k’tsy mila hevitry  tame  zanako hoe: ary misy viavy hilaiko ho anao fa izay teko, teny-D’akôry koa sa rô ,’hilanao hevitry ame zaza madiniky amy izany. -          Izay sa, ndrey da hamotsy andro etoa antsika androany, da tsisy raha ho tapaky. Tsy hitanao n’obolany hoe: E fiam-biavy tsy ba mahatrokaky. Lava n’aliny mahamamy e tavolo. D’apola hieritreritra ekey ahay sa rô! Da merena eky anao. -          Akory n’atao abako, iaho ts’hanano forise zanak’olo. Ndre da eo aby I hoeo hekeny d’e samby ronin’e tahazo avao io. Kla iza ny abeko n ataonareo, da hiheriny eky aho. Da e ôbolany: Filam-biavy tsy ba mahatotraky. Da mieriny avakoa laha afara.

Vita izay ny fisehoana voalohany. Matetika moa dia ny ray aman-drenin-drazazavavy ihany no matetika ny fotoana hiverenan’ny mpangataka. Mandritra izany fotoana izany no hanaovany ny fanadiahadiana mikasika ny fianakavian’ny mpangataka araka ny voalaza any am-piandohana.

NY FIHAVANANA

Anisan’ny zavatra tsy maintsy fotopotorana tsara dia ny nialoha koa ny fihavanana fa sao dia nisy fihavanana ihany tany aloha tany. Amin’ny Antefasy manko na dia efa fihavanana taloha be tany dia miseho rehefa tong any fotoana anaovana ny fangataham-bady. Rehefa misy ny fihavanana amin’ny fianakaviana roa tonta na avy amin’iza na avy amin’iza dia foanana ny raharaha. Anisan’ny mampitaraina amin’ny taranaka ankehitriny tokoa izany, satria na dia fihavanana efa tsy misy antony intsony dia nahasakana ny fanambadiana.

Izay ary no ela fa ndeha jerentsika amin’ieay ny tohin’ny fihaonana faharoa. Tahaka ny fomba moa dia ny tompontrano no miarahaba aloha.

-          Finaritra rô? -          E! -          Akory e tsara, itoa avao, da anareo any aby koa akôry? -          Tsara, e tsara be abako, any avao da n’anara-bolany, roy n’andro, telo n’andro. Taty abako e diako taty iny da n’hôtre: lanana feno rano, nakini-ts’avela, K’da nenaty avakoa. -          Eka abako, da misaotry e nieriny n’asa ts’apola vita. Lanana feno rano izany nakini-ts’avela, lefa nidinidiniky tetoa ahay sakabako d’izao e tapaky: da maneky aby n’havany. Da vita n’aminay sa! -          A! Da misaotry anareo abako fad a henikaja, henim-boninahitry ahay izany. D’ity n’avy ame zakan’ny n’olo: n’haravony tsy mahavky tratra. D’izao e fetr’andro angatahako, da e volany raiky. -          L’izay sa abaniraha, da ts’aninazy, da akôry ma rô e fekarany ne atao anatin’e volany raiky. Da ne fotôny taony raiky e hangatahanay. -          E! rô! D’e koranintsika efa mandry izany, d’apolo vorikosehinao koa. -          Tsy izany fa maromaro aza n’anao io fa hangalaky avao. Ahay hamôky da mahita ne hafoik’izany fetr’andro izany. Ts’e hazon-dahany avao ne hoentiny hiakatry any. Ao e bona, e fandria, e fisafotry, e vilany, e ondriky, e fandambana, e lasety, e satroky, da marosa. Da raha apola hokasikarainy aby izany. D’izay eky sa! -          Da ts’hombako an’izany e, raha tononinao izany da misy aminaha aby. E! tadiaviko io aza k’da n”akon”atodikoho io: masaky androany, da lohaniny androany androany. D’e volany raiky io! -          E fomba sa rô! Da fomba avao, sady e zanakay apola madiniky, d’e taony raiky io eky e angatahanay! Da e fomba eky e vitay! -          Akôry abako n’ato fa n’anaha io aza da n’an’e tahazo avao io. Ndre da ho roy taony ma sar ô e zakainareo ame fitiavako anareo d’izany avakoa ts’ho diniko. D’e fomba n’atao abako.

                NY ATITR’ALO

Rehefa vita soa aman-tsara tahak’izany àry ny resaka sy ny fangatahana ary ny fe-potoana, dia aroso hatrany ny raharaha (ny fomba amin’ny fanambadiana).

Ka amin’izany dia manome ny ray aman-drenin-drazazavavy ny ray aman-drenin-drazazalahy fa ho tonga amin’ny andro tahak’izao hanao ny raharaha.

Koa rehefa tonga àry ilay fotoana voafetra dia tafavory amin’ny tranobe daholo ny fianakavian’ny ray aman-drenin-drazazavavy miandry ny fahatongavan’ny mpangataka. Amin’io fotoana io dia olona telo na efatra avy amin’ny fianakavian-drazazalahy ihany no mandeha. Ilay tovolahy nangataham-bady anefa amin’io dia tsy maintsy miaraka. Ireto avy ny zavatra entin’ny mpangataka: Vola koboro ( 1,25F) sy toaka telo litatra. Taloha be anefa, hono, dia tsy nisy vola fa dia vita amin’izao fotsiny fa izay nanana omby dia manome omby iray. Nefa io omby io dia mijanona any ihany, miandry an-drazazavavy any. Rehefa tonga ao amin’ny tranobe àry ny mpangataka dia aroso amin’izay ny vola telopolo (diafotaka) sy ny toaka telo litatra. Avy amin’io toaka masaka io no anaovan’ny Razana ho an’io tanora roa mifamofo hanorina tokantrano. Eo no ampahafantarana ampahibemaso amin’ny fianakavian-drazazavavy ny momba ireto tanora roa ireto. Izany no atao hoe: Atitr’alo ana “fibohany viavy”’.

VAZO

Manomboka amin’io fotoana io dia vita ny fomba lehibe amin’ny fanambadiana ka na ho firy taona ny faharetan’ny fe-potoana dia tsy azo ivadihana intsony ny fifanekena. Satria manomboka amin’io vanim-potoana io dia azo lazaina fa efa voasazon’olona ilay tovovavy izany hoe efa vita fofon’olona. Ny sazo izany dia azo adika hoe fofombady.

MANDRAFOZANA

Ny alin’ny nanaovana ny atitr’alo iny dia tsy maintsy matory ao amin’ny tranon-drafozany ilay tovolahy sy ireo mpanaraka azy. Ny ampitso tontolo izy ireo dia manao ny asan’ny ray aman-drenin-drazazavavy. Izay indray no atao hoe mandrafozana.

MIALO

Rehefa handeha hody ireo mpandrafozana ireo dia azony atao ny mitondra an’ilay zazavavy mankany amin’ny ray aman-drenin-drazazalahy. Ny hataony any moa tsy hanao inona fa hijerijery ny tokantranony ho avy sady mba ho valin’ny asa nation-drazazalahy dia tsy maintsy miasa koa izy rehefa tonga any. Ka izay mandeha any amin’ny ray aman-drenin-drazazalahy izay no atao hoe MIALO. Marihina fa tsy miara-matory akory ilay tovolahy sy tovovavy amin’izany fotoana izany. Eo amin’ny indray andro na roa andro eo ho eo faharetan’ny fijanonan’ilay zazavavy any. Alohan’ny ray aman-drenin-drazazalahy fitafiana izy. Amin’ny fiverenany moa matetika dia ny ray aman-drenin-drazazalahy n any zaobaviny no manatitra azy any amin’ny ray aman-dreniny. Rehefa efa daholo izany fombafomba rehatra izany dia samy mijanona any amin’ny ray aman-drenin-drazazavavy moa dia faly sahirana ery amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fanambadian-janany. Ny ray aman-drenin-drazazalahy kosa dia miandry ny higadonan’ilay fotoana fotsiny. Raha misy moa fivoriana na an-karatsiana na an-kasoavana dia tsy maintsy mifamangy ny fianakaviana roa tonta.

MIAKATRY (miakatra)

Dia indro àry fa tonga eo amin’ilay fe-potoana nifanarahana ny fianakaviana roa tonta. Amin’ny andro efa voalaza hanaovana ny fampakarana moa dia voaomana izay tsizy ny fianakavian-drazazavavy sy ny mpiray tanàna. Amin’ity fotoana ity anefa dia ilay tovolahy irery ihany sy namany anankiray no tonga maka an’ilay zazavavy any amin’ny ray aman-dreniny. Efa voalamina daholo moa ny rehetra; amin’izay razazavavy ampakarina efa voarandrana amin’ilay randrana antsoina hoe: “rehidra”. Ireto avy ny zavatra entin’ny ampakarina: fotsimbary roa harona, fandriana harefo roa, bona anankiray, fitafiana madio, ondriky roa, vilany, ondam-body, fandambanana roa, tranotsihy anankiray sns… Tokony eo amin’ny fito ora hariva sy sasany eo ho eo no hiaingan’ny dia ka amin’izay fotoana izay dia misy olona maromaro avy amin’ny fianakavian-drazazavavy manatitra azy. Rehefa tonga any amin’ny tokatrno misy ny mpampakatra ny ampakarina sy ny mpanatitra dia miaraka mivantana amin’ny trano onenan’ny ray aman-drenin-drazazalahy. Miara-misakafo ao daholo ny daholobe ny alin’iny, ary dia samy miara-matory ao daholo. Ny ampitso maraina vao mody ny mpanatitra. Ny alin’iny amin’izay vao miara-matory ireto mpivady vao. Ny filazana an’ilay zazavavy amin’izay dia ny hoe: miakatry.

NY MPIAKA-BAO

Fahiny dia tsy mbola nahaleo ten any tovolahy na dia efa manam-bady fa dia mbola miara-monina ao amin’ny ray aman-dreniny ao ihany. Eo amin’ny fomba fipetrahany ao an-trano no ahafantaran’ny mpivahiny ity tovovavy vao nampakarina. Eo an-tsisim-baravarana atsimo andrefana izy no mipetraka. Io tovovavy vao vady vao ireo moa dia ny hoe: MPIAKA-BAO. Ny fiarahabana ireo mpivady vao ireo moa dia ny hoe: “Tsara eky e nihaony ame maro”. Rehefa afaka herin’andro ny nampakarana an-drazazavavy dia miara-miverina any amin’ny ray aman-dreniny indray izy mivady, fa izany, hono, no fomba. Raha vita io angamba dia misy aman-taonany indray vao miaraka any izy mivady.

METOTA Ity teny hoe metota ity dia misy dikany roan a telo eo ho eo.

-          Araka ihany anefa tanora sasantsasany araka ny fitenenana hoe: “Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay hamarara”. Tsy mahatanty an’izany fomba izany satria “zava-tsy zaka ny fanambadian-tery tsetra”. Noho izany dia ilay tovolahy sy ilay tovovavy ihany no mifandamina mangingina any ambadimbadika any. Rehefa voalamina tsar any resak’izy roa dia mampandre ny ray aman-dreniny amin’izay Razazavavy. Mazava ho azy fa ho lavin’ny ray aman-dreniny avy hatrany, satria fomba tsy misy fanajana ray aman-dreny. Alefan’ny ray aman-dreny amin’izay ny teny mafy sy ny didy jadona.

MIFANITAKA

Rehefa hitan-drazazavavy àry fa tsy ho tanteraka mihitsy ny fanam-badiany amin’ilay tovolahy izay nomeny ny fony dia lasa mihaona mangingina amin’ilay tovolahy izy. Tafahaona tokoa ny tia sy ny manina ka dia ny hevitra no halamina sy hampiadiana. Mbahahazahoan’izy hanatanteraka ny faniriany sy ny hiainan’izy ireo amin’ny rivo-pahafahana dia ny mandositra any amin’ny toerana lavitra tsy hahitana azy ireto tanora ireto. Izy mandositra izay no atao hoe: “mifamitaky”. Rehefa fantatr’izy ireo aty afara fa tsy afaka hanao inona intsony ny ray aman-drenin-drazazavavy dia miverina any amin’ny tanàna misy an-dazazalahy izy ireo. Tsy mijanona maharitra eo loatra izy ireo fa lasa mankany amin’ny ray aman-drenin-drazazavavy amin’izay manao ny fomba. Io fisehoan’izy mivady aty aoriana io no atao hoe “METOTA”.

-          Ny dikany faharoa dia izao indray: amin’ny fotoana hiakaran’-drazazavavy iny, dia ny tenany fotsiny aloha no mandeha ka rehefa afaka enim-bolana na iray taona izy vao maka ny entany anamin’izay. Izy sy ny vadiny tonga maka entana iny no antsoina hoe koa “METOTA”

  FEHITENY

Zava-dehibe tokoa ny fanambadiana tamin’ny Antefasy fahiny. Na dia tao azan y tsy fahafahan’ny tanora misafidy izay tiany dia hoatry ny mandeha ho azy izany fehiny. Rehefa misy tovolahy manao resaka fitiavana any amin’ny tovovavy iray any ambadimbadika any dia valiana tsotra hoe “tsy tia ahy hianao far aha tena tia ahy dia miseho any amin’ny ray aman-dreniko any an-trano”. Eny izany tokoa ny tanora fa ny ankehitriny no asa? Tsara ho marihina koa fa ny tovovavy efa avy nanambady dia azony atao ny mifampiraharaha any ivelany amin’izay tovolahy tiany. Kanefa ampahafantarina ny ray aman-dreny ny fandehan-javatra.

 FAMPIRAFESANA

Ny lehilahy Antefasy tsy dia azo lazaina ho nampirafy loatra. Nisy ihany ireo izay nampirafy nefa tsy dia maro. Ny mpanankarena sasantsasany no manao izany. Eny fan a dia hatramin’ny ankizy vavy 16 taona aza dia zakan’ny lehilahy efa 50 taona mahery. Ny antony ve? Ny ray aman-dreny no manao ny fanambadiana ka izay tiany tsy maintsy eken-drazazavavy.

NY TOLOTRA

Antony maro no nahatonga ny lehilehy hampirafy: harena, sitra-po…Nisy ihany koa anefa sasany tsy dia fidiny ho azy loatra ny hampirafy fan oho ny antony maro dia voatery mampirafy. Ohatra (tsy miteraka) momba ravehivavy kanefa mbola tiany ny tokatranony sy ny vadiny dia voatery izy mitady tovovavy (rahavaviny na zanak’anadahiny, na zanakavavy), atolony andralehilahy vadiny. Io vady masay vao natolotra io no antsoina hoe: “TOLOTRA”. Tsy dia mihoatra ny roa akory  ny vehivavy nampirafesin’ny lehilahy iray. Nisy ihany nanao ambonin’izany kanefa azo nisain-tanana. Niteraka fiadanana sy hakamoana ho an’ny lehilahy tokoa ny fampirafesana satria mifaninana matetika ny an-daniny sy ny an-kilany. Lasa mpitazana fotsiny ny lehilahy amin’izay fotoana izay.

 NY FISARAHAM-PANAMBADIANA

Anton-javatra maro tokoa no nahatonga ny fisaraham-panambadiana teo amin’ny Antefasy, ary mahagaga aza matetika araka ny voalazan’ireo zokiolona mpitantara dia toa ady tsy misy dikany loatra no mahatapaka ny tokantrano. Ny tsara ho marihina dia izao, manana ny fahefany tokoa ny rafozam-bavy tamin’izany fotoana izany. Rehefa hitany fa tsy mianaraka hevitra aminy ilay vinantony vavy. Raha sendra mba milaza ny heviny ilay vinantony vavy, dia lazainy ho mpamaly rafozana, hany ka dia misafoaka ilay tovolahy ary dia mandroaka an’ilay vadiny.

NY HAVAMBANA

Antony maro, hoy aho, ary am-piandohana no mahatapaka ny fanambadiana, fa ny tena zava-tsitantin’ny lehilahy Antefasy mandrak’androany dia ny vehivavy manitsakitsa-bady. Ny manitsakitsa-bady moa eto voalohany indrindra dia ny “misakeza” izany hoe mampirafy lehilahy. Zava-pady ary tsy fanao mihitsy izany. Raha toa ka misy vehivavy sahy manao izany ka misy mahita ka milaza amin’ny vadiny, dia tsy misy alaharo intsony io fa dia tokantrano tapaka mandrakizay. Ilay vehivavy efa manambady nefa mbola manana firaisana maloto any amin’ny lehilahy hafa ka tratr’olona n any vadiny eo am-panaovana izany no antsoina hoe: “Vamba”. Koa rah any havambana no maharava ny tokan-trano dia tapaka tsy misy fanafodiny.

Izany rehetra izany akory tsy milaza fa ny vehivavy ihany no loharano ipoiran’ny fisarahana. Mety hisy ihany koa toetra tsy zaka ataon-dralehilahy amin’ny vadiny izay miteraka fisarahana. Ny somary mahagaga kely anefa dia ity: raha lehilahy no vamba dia toa moramora ihany, far aha vehivavy kosa no vamba dia tsy misy fanafodiny. Rehefa misaraka tanteraka ny mpivady dia azony alaina dahalo ny entana rehetra nentiny tamin’ny fotoana nampakarana azy. Raha ohatra ka efa niteraka moa izy ireo kanefa mbola madinika dia ny vehivavy no mitaiza sy mikarakara azy. Tsy misy fanampiana ataon-dralehilahy na dia kely. Nony injay fa lehibe efa afaka miasa anefa ilay zaza dia tong any rainy maka azy, satria tsy tsy mety ny mipetraka amin-dreniny.

 NY FAMPODIAM-BADY NIALA (nisitaka)

Ankoatra ny havam-bady na dia nisaraka azan y mpivady dia azo atao ny mangataka azy hiverina any amin’ny tokantranony . Amin’izay fotoana izay anefa na inona na inona antony nahatonga ny fisarahana dia voatery tsy maintsy ilay lahilahy no tonga mifona sy tonga mamerina ny vadiny any amin’ny rafozany.

Raha toa ka tsy zava-dehibe loatra dia mety ho viatn”ny fifonana fotsiny ihany. Raha tahiny anefa ka hadisoana lehibe avy amin-dralehilahy no nahatonga ny fisarahana dia ts vitan’ny fifonana am-bava fotsiny fa tsy maintsy arahina fanomezana. Ny zavatra atolotra amin’izany dia tsy inona fa omby na vola na fanaka fampiasa amin’ny tokantrano (milina fanjairana).

Anisan’ny teny averimberina ny mpivady tokoa ny teny hoe ‘zaza fito tsy mahafehy trano, fa ny fanahy fito no mahafehy trano rehefa miady iny”.

Tamin’ny andro talohabe tany anefa dia vitsy dia vitsy tokoa ny nisara-panambadiana izany. Ny antony dia tsotra ihany, hoy ireo zokiolona , nanaja tokantrano tokoa ny vehivavy taloha.

Eny hita fa tena nanaja vady tokoa ny tovovavy Antefasy, fahiny. Aleony lavitra tsy mihaingo toy izay ny vadiny tsay hanao angoty.  TERA-BAO

Rehefa mahatsiaro mahararirary moa ny bevohoka dia mitsojo daholo ny lehilahy ao an-trano. Ny vehivavy sy ny mpanoloany ihany sisa mijanona ao. Vantany vao teraka ilay zaza raha ohatra ka zaza lahy dia miara-mihorakoraka ny ao an-trano sady mandondona rindrina. Raha zazavavy moa dia samy mangina fotsiny.

Miaraka amin’izay dia efa voaomana ny zoron-trano atsimo atsinanana izay voatemitra lafika (tsihy) ka eo no toerana ipetrahan’ny mpisandimbany (mpifana mpiampaty) Satria eo no amorom-patany ka mahazo hafanana. Anaovana sosoa be rano ny mpiasandimbany. Vantany vao mandre izany ny ao an-tanàna rehetra dia mirohotra mankany amin’ilay trano misy ny tera-bao, miaraba azy manao hoe: tsara eky e tody tsara be sa ngaha”. Tamin’ny andro tahoha dia akoho no omen’ny mpamangy ny mpisandimbany.

Nony afaka herin’andro ny fotoana nahaterahany dia mandro rano mafana nasiana ravim-boasary amin’izay ny mpisandimbany. Vita izay dia mba lasa mivoaka ny trano amin’izay izy mibaby an’ilay zazakely vao teraka. Mitsangatsangana sy mamangivangy ny olona an-tanàna fotsiny no ataony amin’izany. Ny atao hoe misandimbany dia ny mifana na mampatana.

 FORA

Zava-dehibe amin’ny Antefasy tokoa ny fora, noho ireto antony ireto: tsy mbola manana ny zo maha-lehilahy azy ny ankizy atao ny miditra ankibory raha maty na velona raha mbola tsy vita fora.

Taloha sia somary efa lehibe ihany ny ankizy lahy vao noforana. Azo zaraina roan y fomba famorana dai any: famorana tsotra sy ny famorana amin’ny aomby.

 NY FAMORANA TSOTRA

Matetika dia ny olona iray tranobe dia miaraka forana daholo ny zanany. Rehefa tong any andro voalaza hanaovana ny famorana dia tsy maintsy tafavory ao daholo ny Havana rehetra n any havan’ny renin’ireo zaza ireo fa indrindra ny havan’ny rain’izy ireo. Tsy mba dokotera no mpamora talha fa olona tsotra, izay efa manana talenta momba izany raharaha izany.

NY TANGENA

Anisan’ny fomba amam-panao nanana ny maha-izy azy tokoa ny tangena fahiny. Fitsarana fara-tampony mantsy ny tangena. Ny tangena misy ataon’ny olona iray na roa na telo na mihoatra eny fa na dia hatramin’ny mponina iray tanàna.

Ny mahatonga ny tangena mantsy dia araka ny zava-niseho: ohatra halatra, vono olona sy ny sisa kanefa tsy fantatra izay nanaoazy.

FOMBA AMAM-PANAO RAHA MISY MATY Raha jerena ankapobeny dia misokajy telo ny fomba hita raha misy maty: Fatin’ny Ampanjaka Fatin-jaza latsaka ny telo volana Fatin’ny olontsotra telo volana noho miakatra NY FANDEVENANA

Tsy misy hahafantaran’ny fahafatesan’ny ampanjaka mihitsy ao an-tanàna, satria tsy azo atao ny mandevina ny fatin’ny Ampanjaka amin’ny andro antoandro fa amin’ny sasakalina no anaovana ny fandevenana. Mifamory mangigina ny vatan-dehilahy feno telo-polo taona mihoatra  . Tsy mba fikatonana hoatry ny itondrana ny fatin’ny be sy ny maro no itokanana (ilanjanaà ny ampanjaka fa tohatra fampiasa an-davanandro io ihany.